Voka-pikarohana : Mifamatotra ny valiha sy ny fanahy

Hanatanteraka velakevitra momba ny « fifamatoran’ny valiha sy ny fanahy » ireo mpampianatra eo anivon’ny foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie. Sambany teo amin’ny tantaran’ny valiha sy ny zavapanahy no hisy tahak’izao, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ity foibe ity. « Fikarohana an-taona maro no nahatongavana sy nahafahana nanaporofo fa misy io fifamatorana io », hoy izy. Ny sabotsy 5 jolay izao, manomboka amin’ny 10 ora, no hotontosaina ao amin’ny Lycée privé Daniel Andravoahangy ambony ity velakevitra ity Ankoatra ny maha dimbin’ny mpitendry valiha teo aloha. Nanatanteraka fikarohana maro, tany amina toerana samihafa ireto mpampianatra ireto. Nezahina naravona ho iray ireny voka-pikarohana ireny. Tsy teto an-toerana ihany no nanaovana ny fikarohana fa nisy ihany koa tany ivelany. « Tsy azo hadinoina fa nandalo fanjanahantany i Madagasikara. Rehefa niala teto ry zareo vahiny. Maro ireo momba ny kolontsaina malagasy no nentiny nanaraka azy. Anisan’ireny ireo boky isan-karazany mirakitra zava-mahaliana momba ny kolontsaina sy zavakanto malagasy. Anisan’ireny ny valiha », hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: