TARATRY ny KANTO

Nofoanana ilay fampisehoan’i Thurgot Théodat, saika hatao ny zoma 4 jolay izao, ao amin’ny IFM Analakely. Noho ny antony ara-pahasalamana no tsy hahafahan’ity mpanakanto mpiangaly ny jazz ity. Tsy foana kosa ny fifankalozana izay hatao manodidina ny jazz, ny famoronana ary ny fifandraisana eo amin’ireo samy mpanakanto, izay hatao manomboka amin’ny 7 ora hariva. Ho avy ihany ireo vahiny nasaina hanampy ireo eto an-toerana, hiresadresaka momba ny toeran’ny jazz maneran-tany amin’io.

« Velakevitra am-pamoloana », anio manomboka amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. « Ny teti-panorona: teti-pandrosoana, lamim-pahendrena » no lohahevitra hovoaboasan’i Zamabe fanorona mandritra izany, ka hanasana ireo rehetra liana, na mpikatroka na mpankafy ny fanorona sy ny kolontsaina fonosiny. Tafiditra anatin’ny andiana hetsika izay karakarain’ny Famoloana Telozoro ny velakevitra.

« Ny toeran’ny angorodao diatonika amin’ny mozika malagasy ». Lohahevitra hofakafafakaina mandritra ny velakevitra izay hotontosaina ny 5 jolay izao, any amin’ny « Festival Les Nuits Atypiques » io. Hoentin’i Patrick Lavaud, izay nanao fikarohana manokana momba ny mozika malagasy nandritra ny taona maro, sady efa talen’ny hetsika ihany koa. Anisan’ny arahina akaiky mandritra ity hetsika hatao any Gironde France ity ny mozika malagasy sy ny fivoarany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Partager sur: