Tsy fantatra intsony ny zava-miseho eto amin’ny firenena ankehitriny. Toa mifanohitra izany ny toe-javamisy. Raha ny ezaka ataon’ny fitondrana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, dia manodoka tokoa. Maro ny zava-bita tao anatin’ny fotoam-pitondrana. Tena tsy nisy tao anatin’ny 65 taona nahazoana ny Fahaleovantena.
Ao anatin’ny roa andro dia mahoraka ny fitokanana fotodrafitrasa ao Fianarantsoa. Maro tokoa, hoy ilay tsy mahay manisa. Hitety tanàna ny delegasionina mafonja avy aty an-dRenivohitr’i Madagasikara. Hopitaly, sekoly, biraon’ny polisy, sns. Samy mahazo ny anjarany na ny ambanivolo na ny an-tanàn-dehibe. Samy migoka ny politikan’ny filoha Rajoelina Andry.
Etsy ankilan’izany rehetra izany, tsy azo hodian-tsy hita ny olana sedrain’ny valalabemandry. Io ny Jirama tsy ahitam-bahaolana. Tsy ny fahatapahan-jiro ihany ny olana fa miampy ity olana anatiny amin’ny fitantanana sy ny resaka fanavaozana sata ity. Azo lazaina fa kofona ara-bakiteny ilay sampandrahara tokana mba afaka mamaly ny filan’ny vahoaka momba ny angovo.
Tsy hanaovana resabe ny olana momba ny solika. Asa inona no tiana hahatongavana fa izay mba filana fototra ny olona dia ahitan’olana foana. Toa vonoina tsikelikely ilay madinika. Iza loatra no manana ketrika avo lenta any ambadika any? Tena mivadika ho raharaha tsy takatry ny sain’ny madinika ilay fika eto an-tanàna.
Ny madinika ihany no mijinja ny mafy sy mangidy. Ny vidim-piainana efa ady sy tolona isan’andro. Izay mba filana fototra koa mbola ampifilafilaina. Tena tsy misy mangirana na andro mihiratra mihitsy izany! Indroa na intelo mahita ny maizina toa tain’omby nasesika an-davaka ilay sarambabem-bahoaka. Tena hoe mavesatra tanteraka ilay andavanandron-dRamalagasy. Lo anaty lo ny tontolo misy ny fiainan-dRamalagasy.
Mahafanina sy mahasanganehana ilay zava-miseho ankehitriny. Tsy hita ifanomezan-tsiny fa mitaky kosa fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay.
r.r




