Andiany faha-14 sahady. Raha toa ka somary nangingina tany am-boalohany, efa mahazo vahana tanteraka eto amintsika ny kolontsaina aziatika sasantsany. Anisan’ireny ny «manga», ny «jeux vidéos», «K-Pop», «cosplay», sns. Natambatra tanaty hetsika iray ireny, ka nanome ny «Manga Mania Festival». Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 26 jolay ho avy izao ny andiany faha-14 amin’ity hetsika ity, ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano.
Aseho anaty tranoheva manodidina ny 80 ireo kolontsaina aziatika be mpanaraka ireo. Hisy amin’ireo no hatokana ho an’ny «jeux vidéos» isan-karazany, indrindra ireo vokatra faramparany satria anisan’ny lalan-tsaina voizin’ny hetsika ny fanarahana ny rivotra mitsoka maneran-tany. Hisy koa ny sehatra lehibe ho an’ny dihy, hira, fanentanana sns, indrindra ny fanehoana ny K-Pop.
Anisan’ny fangatahan’ireo mpankafy tamin’ireo andiany teo aloha ny hanatsarana ny fikarakarana amin’ny ankapobeny. Nahazoana fanamarihana ihany koa ny mahakasika ny fitsarana, indrindra ny fandraisan’ny mpijery anjara amin’ny «cosplay» sy ny «K-Pop». Inoana fa hisy ny fanatsarana izany amin’ity andiany ity.
Zo ny Aina




