Any amin’ny fokontany sy ny kaominina no hanaovana fangatahana raha hamadi-drazana. Ny fanisana ireny taratasy fangatahan-dalana ireny no nahafantarana fa mihena isan-taona ny Malagasy manatanteraka famadihana. Ny nahazo 63 isa mandritra ny fotoam-pamadihana iray tany amin’ny taona 2008. Nanjary 37 izany ankehitriny. Saika manahatahaka io ny ankamaroany ho an’ireo kaominina manodidina ny renivohitra.
Anisan’ny antony mahatonga io fihenana io ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Niha nahantra ny Malagasy, hany ka mitombo hatrany ireo tsy mahavita ny anjara adidiny. Nanjary tsy laharam-pahamehana ho an’ny sasany ny famadihan-drazana. Eo ihany koa ny finoana sy ny fomba arahina amin’ireny. Mitombo hatrany ny Malagasy voasariky ny fiangonana na ny finoana tsy mankasitraka ny famadihana. Navela ny fomban-drazana. Any amin’ny tontolo ambanivohitra no tena ahitana ity tranga faharoa ity raha ny eny an-dRenivohitra no tratran’iry tranga voalohany.
Manoloana ny tranga tahaka io. Ho an’ny mpahay fomba amam-panao. Rehefa tsy voakitikitika ny fombafomba fanao amin’ny razana ao anatin’ny famadihana, tsy misy tokony hahina ny firoboroboan’ny fiangonana. Faharoa, hatao izay hampatanjaka ny fiharian’ny tsirairay mba hahafahany manefa ny adidiny. Vahaolana fahatelo, ampahafantarina ny taranaka aty aoriana ny tena vontoatiny
na ny antony hanaovana ny famadihan-drazana sy ny fomba malagasy hafa mba hanana sy hijoro amin’ny maha izy azy izy ireo.
HaRy Razafindrakoto




