Hanao tohivakana! Hiaka-tsehatra eny Vontovorona, ao amin’ny foibe “Aumônerie Catholique universitaire – ACU” ny tarika Iray Fy’Art, ny alahady 6 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora. Hialohavan’ny kerimesy, ny sabotsy izao, ny hetsika. Hitohy ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, ny alahady 13 jolay izao. Seho an-tsehatra hotanterahina ao amin’ny “Salle d’oeuvre” Fiangonana katolika Md Etienne Ambanidia, iarahana amin’ny “Chapelle Notre Dame de la Paix” Andrainarivo. Seho faharoa ataon’ny tarika eny an-toerana izao noho ny fangatahan’ny maro.
Hihazo an’i Miarinarivo indray ireto mpilalao tantara amin’ny onjam-peo ireto miaraka amin’ny ekipan’ny Raozery. Seho hotontosaina ny alahady 20 jolay izao. “Mampihomehy sy ahitana hatsikana nefa koa natao hanabezana sy hampitana hafatra ny tantara hoentinay eny an-tsehatra”, hoy i Niravo Randria, lehiben’ny tarika Iray Fy’Art. Nohamafisiny fa natao ho an’ny sokajin-taona rehetra izany, sady maneho ny fiainana andavanandro ny tantara an-tsehatra hoentina amin’io fotoana io. Nanteriny fa ny seho an-tsehatra tahaka ireny no hifanakaikezan’ny tarika Iray Fy’Art amin’ireo mpankafy raha feo fotsiny ihany izany any anaty radio. Anisan’ny mandrafitra ny tarika rahateo ireo andrarezin’ny filalaovana tantara amin’ny Radio tahaka an’i Antsa Ravaka, Faly, Rakoto, Synèse ary Niravo. Misahana ny lafiny teknika sy ny fandrindrana an-tsehatra ary mpanatontosa Bruno Rakotomalala.
HaRy Razafindrakoto




