Zandry Gasy sy Inah, eny amin’ny Pho Resto Ivato. Anio alina, manomboka amin’ny 8 ora ity fiarahana ity. Tsy vao voalohany, saingy be mpangataka hatrany izany. Fiarahana manontolo an-tsehatra mihitsy fa tsy tarika samy hafa akory. Ireo mpitendrin’ny Zandry Gasy ihany mantsy no hanaraka an’i Inah amin’ireo hirany amin’io. Ankoatra izay, hitondra ny revy gasigasy toy ny mahazatra hatrany ny tarika.
Hotokanana anio ny Coliseum Fianarantsoa, ao Ambatomena. Toerana fanaovana fampisehoana goavana indrindra any an-toerana izy ity, izay manakaiky ny Coliseum aty Antananarivo. Hisantatra ny toerana ireo mpanakanto zanaky ny faritra, toa an-dry Oladad, Nael, Agrad, Jedy, Baba Raprosy, sns. Hanomboka amin’ny 10 ora ny fanentanana sy ny fampisehoana isan-karazany.
« Antsom-pitia », etsy amin’ny Food Courts La City Ivandry. Anjaran’ny tarika Iraimbilanja indray ny manafana ny sehatra anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Andiam-pampisehoana fikarakaran’ny RDJ izy ity, izay nampakarany ireo tarika sy mpanakanto nametraka ho an’ny mozika malagasy. Hitondra ireo hirany nitety vanim-potoana, ary nanamarika hatrany ny tontolon’ny rock malagasy ny tarika.
« Revy Revy Mody Masoandro », andiany faharoa. Nivoaka ny daty: ny 27 jolay. Eny amin’ny fihantsonan’ny fiara CCI Ivato ihany no hotontosaina ity seho goavana ity. Tsy miova kosa ireo tarika handray anjara. Ny Mahaleo miaraka amin’ny taranaka, Samoëla ary ry Benny, Bebey ary Nini Kolibera no handray anjara amin’izany.




