Na anatin’ny hirifiry aza ny eto Madagasikara noho ny vanim-potoan’ny ririnina dia manga kosa ny lanitra eo amin’ny fampandrosoana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao, nanao ranolava ny fitokanana ny fotodrafitrasa napetraka ho an’ny taranaka fara-mandimby. Saika manerana ny lafivalon’ny Nosy izany. Voakasiky ny asa vita ny filana ara-tsosialin’ny mponina, indrindra ny andavanandrony.
Mifanindran-dalana amin’izay ny fampisehoan’ny mpitondra ankehitriny ny firaisankiana eo amin’izy ireo. Mampitovy ny zotra iaraha-mandroso izy rehetra. Tsy ahitana mpanohitra izany intsony eto Madagasikara. Olona mimenomenona fotsiny angaha no eo sisa. Ireo misora-tena ho tsy mankasitra fitondrana lany amin’ny resabe fotsiny. Tsy misy mahasahy mijoro hanao izay iraka andrasan’ny vahoaka aminy. Ny tena zava-doza izay antenaina hanirina aza no mainka mampivandravandra.
Raha fehezina dia natao ho an’ny vahoaka izany sisa no manapa-kevitra amin’ny tiany hitondrana ny fiainany. Ny resaka politika dia nifono farango sosona tanteraka. Raha fehezina rahateo moa, efa leo politika tanteraka ny olona. Na inona na inona miseho. Na iza na iza mitondra na manohitra dia tsy misy mivaky loha intsony. Izay hampidirina am-bava izao no lohalaharana amin’ny isam-batan’olona.
Manoloana izany anefa, tsy midika ho faharesena akory. Samy mamboly ny fanantenana any anatiny ilay Malagasy tsivakivolo. Mifanohana anatin’ny soa sy ny fahasahiranana. Tsy misy rahateo ny tonga lafatra fa mila fikirizana sy filofosana avy amin’ny tsirairay.
r.r




