Faharoa eto Madagasikara. Toerana fanaovan-danonana lehibe indrindra ao Matsiatra Ambony ny Coliseum ao Ambatomena.
«Akory aby ». Hira nentin’ny tarika Jedy teny an-tsehatra no niarahabana ny rehetra tonga tao amin’ny Coliseum vaovao tao Ambatomena Fianarantsoa, omaly. Fotoana nidiran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tao amin’ity toeram-pilanonana goavana indrindra ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ity. Nanome voninahitra sy nitokana ary nanolotra ny toerana ny filoha sy ireo manam-pahefana rehetra niaraka taminy.
« Efa tamin’ny Repoblika voalohany no nokasaina hanaovana tetikasa teto, saingy tsy tanteraka. Mendrika hanana coliseum i Fianarantsoa. Mahazaka 30 000 isa izy ity, izay azo hanaovana fampisehoana sy hetsika maro samihafa, toa ny ara-pilazantsara. Tsy azo kosehina anaty tantara izao», hoy ny filoham-pirenena nandritra ny kabariny.
«Andro manan-tantara ny 4 jolay 2025, satria dia tapitra hatreo ny fitadiavana toerana lehibe hanaovana fampisehoana », hoy ny governoran’ny faritra Matsiatra Ambony, Razafindrafito Lova Narivelo.
« Fandresen’i Fianarantsoa izao », hoy kosa i Agrad, anisan’ireo mpanakanto nankafizin’ireo mpijery maro. Anisan’ireo nitantatra ny sehatry ny Coliseum izy, niaraka tamin-dry Oladad, Baba Raprosy, Naël, sns. Miandry kely ny fisokafan’ny Coliseum ho an’ny mpikarakara hetsika sy ireo mpanakanto, satria mbola misy ny famaranana ny asa.
Zo ny Aina




