Fahamboniana ambany  

Kasikety mivadika aloha aoriana, akanjo rovitra kiho, pataloa rovitra lohalika sy miborotsaka… Izany no hoe manaraka toetrandro. Lamaodin’ny tanora ankehitriny. Fahamboniana? Te hiala amin’izay tsara sy mahasoa ary mahafinaritra mahazatra. Dia miditra amin’ny tsy misy mpanao hoe mampiavaka… Any amin’ny saina no misy kely na tsy ampy kely? Mivadika aloha aoriana, rovitra, miborotsaka…
Eo koa, ohatra, ny tsy tahotra tsy henatra amin’ny tsy firaharahana ny tenin’ny tena. Nefa toy inona ny henatra amin’izay mety ho fahadisoana kely amin’ny fampiasana teny vahiny? Zary fahamboniana ny tsy fahaizana teny malagasy. Fanjanahan-tsaina? Raha misy vahiny iray, ohatra, amina fivoriana, atao amin’ny teny vahiny ny resaka. Nefa tsy hisy vahiny hampiasa ny tenin’ny tena, na mameno trano aza ny Malagasy.
Tonga hatramin’ny tsy fahanarahan-dalàna ny fahamboniana toy izany, fa fahambaniana ny fanarahan-dalàna: mijanona ho tahotra mpitandro filaminana, fitsarana, fanasaziana… Raha vao tsy misy mpanara-maso, mandeha hoazy ho an’ny sasany ny fandikan-dalàna: mampiavaka, ireharehana ho tombontsoa. Eny, na eo imasom-bahoaka aza: misy filaharam-be, ohatra, voninahitra ny misongona hoe mahitahita.
Hatramin’ny fijery politika izay fahamboniana izay? Na iza na iza, ohatra, eo amin’ny fitondrana, ireharehan’ny sasany ny hoe fanoherana, fanaratsiana, fankahalana… Zava-doza ny hoe mangina, manohana… Tsaraina ho hadalana na habadoana ny tsy fanoherana, refesina amin’ny mety ho fahazoana na fiandrandrana tombontsoa manokana ny fanohanana na fanoherana. Nefa samy manana ny fijeriny, tsy ifanerena…
Tapiany ireo fa tsy tapitra eo. Sao izay no anisan’ny tsy mampandroso izay ela izay? Na amin’ny fiaina na fisiana, na amin’ny fanao sy fiasa…

R. Nd.

Partager sur: