Misaona ny hiragasy: Nodimandry i Zozy, Sahondrafinina zanany

Maloka indray ny tontolon’ny hiragasy… Nodimandry ny sabotsy teo, teo amin’ny faha – 67 taonany, Raza­findranaivo Sahondrafinina, na i Zozy, ho an’ireo akaiky azy. Filohan’ny tropy Sahon­drafinina Zanany Fenoarivo no nahafantaran’ny maro azy, zanakavavimatoan’i Sahon­dra­finina Reniny, vady navelan-dRa-Petit avy ao Ando­havary, izay filohan’ny federasion’ny mpanao hiragasy eto Madagasikara teo aloha izy. Reny niteraka an’i Kapiteny José, izay filoha mpitarika ny fikambanan’ny mpihiragasy amin’izao fotoana ihany koa.
renin-tantely, namela mamy teo amin’ny tontolon’ny hiragasy i «Totoa Zoza», hoy ireo akaiky azy. «Mpihavana akaiky avokoa ireo amin’izao, toa an-dry Sahondrafinina, Samoelison, Rateloson sy ry Ramilison Besigara. Ny tarika Ramilison sy Sahondrafinina izany dia vako-pirenena hatramin’ny andron’i Dadabe Tsir­anana», hoy ny nambaran’i Rossy, mpanakanto akaiky ireo mpanao hiragasy an-taonany maro.
Misy mpandimby i Zozy Sahondrafinina sy Ra-Petit, satria ao anatin’ny tontolon’ny hiragasy sy ny mozika ankapobeny avokoa ny taranany. Mitohy hatrany ny lalan’ny Zana-tsahondra, na ny Sa­hondrafinina Zanany, izay efa nosoritan’ireo raiamandreny. Ny nofo mangatsiakan’i Zozy Sahondrafinina kosa dia hiala ao an-tranony, ao Ampahibe Ambohitrimanjaka, anio ary hoentina any amin’ny fasan-drazany any Amboanana Arivonimamo.

Zo ny Aina

Partager sur: