Tsy mahazo mamindro

 

Tsy vitan’ny miaritra hatsiaka fa mbola mizaka ny hirifirim-piainana Ramalagasy. Mahagaga sy mahavariana fa toy ny nantenain-kanirina indray ity no mainka mampivandravandra, ankehitriny. Toa ankatoavina avokoa ity karazana tsindry sy famotehana ankolaka na mivantana ilay vahoaka madinika ity. Tena mizaka ny tsy eran’ny ainy ara-bakiteny tokoa.
Raha ny zava-misy, mihalavaka hatrany ny elanelan’ ny mpanana sy ny sarambaben’ny olona. Tena miezaka mafy mikiky ny kely eo am-pelatanan’ny olona ireo mpandraharaha sy ny manana fahefana hanao izany. Tsy misy kely mba mahazo mamindro izany. Manjaka ny ampihimamba sy ny figiazana ireo heverina ho herijika hisitra­han’ny maro anisa tombony.
Ny zava-doza, tsy vitan’ny ampahantraina ara-materialy fa tena horohoroana ara-panahy ny vahoaka tsimandadiharona. Tena mampivalaketraka ny mijery ilay Mala­gasy mihevitra ireo zavatra tsy manjary ho fenitra sy ara-dalàna. Ny ratsy sokajiana ho tsara, ny tsara havadika ho hafahafa. Azo lazaina fa mivadika atidoha ilay Malagasy. Tena resin’ny fahalovana sy ny fahapotehana tanteraka.
Tsy misy azo homen-tsiny anefa amin’ny zava-mise­ho ankehitriny satria, olon-dehibe manam-panahy. Afaka ny misaina sy mamolavola ny lalana tiany hizorana ny tsirairay, kanefa toa manaiky resy tsy miady izany. Mirona any amin’ny faharesena faobe sy ny fandemen-tsaina itambarana ny rehetra. Tsy manam-piniavana ny hiala ambany ziogan’ny mpanao tsindrio fa lavo.
Mampiteny ny moana ny faneken’ny besinimaro ilay fanangolena faobe, mitarika any amin’ny fandemen-
tsaina iraisana. Tratry ny be manaiky, toa tsy afaka mamakafaka intsony mihitsy. Tena tsy afa-mikofoka eo ambany vahohon’ny mpanjanaka ara-tsaina sy ny mpambotry ny harem-panahy.
Tsy hita intsony ny voambolana ampiasaina hilazana ny fanabadoana faobe mahazo ilay mpiray tanindrazana!

r.r

Partager sur: