Fotoam-pialantsasatra tery vay manta: Mitobaka etsy sy eroa ny fampianarana zavakanto

Ampahany vitsy amin’ny mpianatra sisa no mamita ny taom-pianarana 2024-2025. Saika efa ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny ankama­roany. Manomboka hita etsy sy eroa ny fampianarana zava­­kanto ao anatin’io vanim-potoana io. Tsara ny voataiza miaraka amin’ny zavakanto, saingy ratsy ny fanaovana tery vay manta. Ao anatin’ny 2 vo­lana latsaka, hahay mi­tendry zavamaneno ny ankizy iray? Eo rahateo ireo doka ataon’ny mpampianatra sasany ho mahavita izany. Roboka ny ray aman-dreny… Maro ireo voafitaka sy diso fanantenana. Tsy ilay mpampianatra na ny mpi­anatra no mahay na tsia, fa ny fotoana no fohy loatra. Ny famaritana na ny fiheverana ny hoe « mahay » rahateo sami­hafa.
Ny ray aman-dreny, mika­tsaka izay hahasoa ny za­nany. Ny mpampianatra zavakanto mitady izay hampivelarana ny talentany sy ny soa tokony ho azony avy amin’ izany. Ilay fanazavana na fifanazavana eo amin’ny andaniny sy ny an­kilany no tokony homena lanja mialoha ny hanombohan’ilay fianarana.
Vitsy ihany anefa no maha­vita izany, hany ka ilay mpianatra no hiharan’ny tery vay manta ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra. Iray amin’ny fampanantenana tokony ho­men’ny mpampianatra zavakanto mandritra ny fotoam-pialantsasatra ny hoe: « hanana ny fototra hoentiny mianatra sy manatevina ary hika­roka irery izy rehefa vita ny fiana­rany ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: