Nodimandry i Doda Batteur, na Razafitiana Gabriel. Mpively ampongamaroanaka, nanaraka tarika maro izy. Anisan’ireny ny tarika Samoëla, ZMG, Zaref, Majeur 7, Niraina, Théo Rakotovao, Lôla, Dat’Kôtry, Kimil, Oladad, Kobaha, sns. Teknisianina momba ny feo ihany koa izy, ary efa niasa naharitra tao amin’ny Be Mozik. Hisy ny fiaretan-tory ao Beravina Fianarantsoa, anio alina, mialoha ny hitondrana ny nofo mangatsiakany any Andemaka Vohipeno.
Hampandalovina ao amin’ny Kianja Ra-Petit, ny nofo mangatsiakan’i Zozy Sahondrafinina. Rahampitso alarobia io, hiala eny Ambohitrimanjaka, homem-boninahitra ao amin’ny kianjan’ny hiragasy izay mitondra ny anaran’ny vadiny, ary hoentina any Amboanana Arivonimamo aorian’izay. Mbola handrasana any an-toerana, ka ny sabotsy no hanatontosana ny fandevenana.
Seho ampitain-davitra ny fandraisana anjaran’i Marion, mandritra ny « Génération 2000 ». Tsy eto an-tanindrazana mantsy, fa efa elaela no monina any ivelany ity mpanakanto ity. Hotontosaina ny 27 jolay ny seho, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hifandimby an-tsehatra mivantana kosa ry Imagine, tarika ‘Zay, Eric Tahiana, Tempo Gaigy, Mirado, Spy D ary Joy K. Efa fotoana ifanomezana ny seho ho an’ireo mpankafy mozikan’ny taona 2000.




