Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny anaran’ireo vehivavy mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025. Avy amin’ny ligin’Analamanga sy Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra ireo handrafitra ny ekipam-pirenena, amin’ity.
Nifarana ny alahady lasa teo, tany Antsirabe, ny fampivondronana ireo mpilalao tsipy kanetibe 24 mirahavavy. Hetsika nenti-nitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025. Navoakan’ny Federation sport boule malagasy (FSBM) notarihan’ny filohany, Andrianirina Adrien, tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny anaran’izy efa-bavy voafidy. Mpilalao roa avy amin’ny ligin’Analamanga, dia i Fana (CPA) sy i Marinah (UBM). Avy amin’ny klioba SBA Matsiatra Ambony i Tita ary i Hasina mpilalaon’ny C2BA Vakinankaratra.
Masontsivana maro no natrehin’ireo mpilalao rehetra nandritra ny herinandro. Ankoatra ny fahaiza-manao, notakina tamin’izy ireo koa ny fahafehezana ny toerana manavanana sy ny fahaizana mameno ireo toerana hafa. Teo koa ny tanjaka ara-batana, ny toe-tsaina entina miatrika ny fifaninanana, ny fahaiza-miaina anaty ekipa ary ny fiarahana amin’ireo mpiara-milalao. Ny fitondran-tena mialoha sy mandritra ary aorian’ny lalao. Notakina tamin’ireo mpilalao tsirairay avy ny fahafehezana ny fitsipi-dalao.
Nambaran’ireo teknisianina fa sarotra ny fifantenana satria sangany avokoa ireo mpilalao rehetra saingy nisy ihany ny nampiavaka ireo voafantina. Hanazatra sy hitondra ny ekipam-pirenena malagasy i Cicine, hany vehivavy tokana tompondaka maneran-tany. Tsiahivina fa hatao any Douaisis France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ho an’ny sokajy vehivavy.
Hitohy eto Antananarivo ny fanomanantenan’izy efatra mirahavavy, saingy tsy mbola voafaritra ny daty hanatontosana izany.
Tompondaka




