SOMBIM-BAOVAO

Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-
dalana ny lalan’ny Ankoay, nandritra ny fifaninanana Run Bal, taranja basikety, natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Mexique tamin’ny isa 21 no ho 19 ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa fandresena 3 nisesy no azon’izy ireo talohan’ity ampahefa-dalana ity.

Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Fifaninanana tanterahina ao amin’ny Arena any Toamasina, nanomboka ny 5 jolay teo ary hifarana ny 13 jolay izao. Ekipa 18vehivavy sy lehilahy 24 no hiady ny fandresena amin’ity fifaninanana ity.

Ankizy 145 no mivondrona etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina miatrika ny “Camp de vacances de basketball”. Ny 4 sy 5 jolay lasa teo no nanatanterahana ny tapany voalohany, raha toa ka omaly sy anio kosa ny tapany faharoa. Hivelatra sy hivoatra ao anatin’ny taranja basikety no tanjona amin’ ity karazana fiofanana ity, araka ny nambaran’ny mpikarakara.

Partager sur: