Faly ny mifamono

 

Tena mahavariana isika Malagasy ireto ! Hita taratra fa tsy miray hina ho amin’ny tsara intsony. Mibirioka ho any amin’ny fifamonoana faobe mihitsy. Ny tena zava-doza, ny samy madinika ihany no mifamotika. Tena tsy misy indrafo fa manao izay tiana atao na hahafaty ny hafa aza. Manao antsirambina ilay maha olona ny mpiray tanindrazana kanefa tiatiakely, tsy mahalala afa-tsy ny tenany.
Jereo anie izao ity hoe fitokonan’ny Jirama ity! Tsy ny fahatapahan-jiro lava, ny fidangan’ny vola aloan’ny mpanjifa amana hetsiny no manahirana azy ireo fa ilay tombontsoan’izy mianakavy sao ho very ao. Mody hirahiraina ilay satam-panarenana kanefa avo lenta be ny kajin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao. Atao lasibatra ny tolo-kevitry ny fanjakana, kendrena ny hanesorana an’i vazahabe tale jeneraly, tsy voakitikitika kosa ny lefitra efa ho am-polony mianadahy.
Manampy izay, tsy tokony ho ataon’ny sendika sorona velively ny vahoaka madinika, indrindra ny mpandraharaha mivelona amin’ny fampiasana herinaratra. Ilay tapatapaka na ny delestazy aza anie efa mahafaty antoka mihoapampana, mainka ampiana « Grévy ». Tsy tokony ho hadinon’ny Jirama fa miankina aman’aina ity fitokonana ketriketrehin-dreo ity. Tena vono olona ara-bakiteny tokoa ! Tsy azo eritreretina na dia hoe hetsika sendikaly aza ilay izy.
Tsy tokony ho hadinon’ny mpiasan’ny Jirama fa hafa mihitsy ny andrasan’ny vahoaka amin’izy ireo fa tsy mainka fampikatsoana ankitsirano tahaka izao. Mitovy amin’ireo fahavalom-bahoaka, mpamono olona ihany ny fanaovana izany. Tsy mariky ny fitiavan-tanindrazana fa famonoana mpiray tanindrazana amin’ny fomba mamohehatra ihany. Asa inona loatra ny tanjona ? Hita ho fanaovana tsinontsinona ny samy madinika ilay izy ka mba mila fandinihan-tena lalina ihany fa tsy faly ny hifamono an-toerana eto.

r.r

Partager sur: