Nanaraka hatrany ve ireo mpankafy? Ho voavaly izay aorian’ny seho goavana homanin’i Tovo J’Hay. Ny azo antoka aloha, mbola tena milomano anatin’ny mozika izy.
Ny taona 2009 no niaka-tsehatra irery farany tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina i Tovo J’Hay. Toy ny vao omaly ho an’ireo tena mpankafy, na dia efa 16 taona lasa aza. Rariny loatra raha anisan’ny fanamby goavana amin’ity ny fiverenana indray ao amin’ity toerana ity. Ivon’ny fankalazana ny 25 taona an-tsehatra mihitsy io, izay hotontosaina ny 10 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
“Fotoana iaraha-miaina miaraka indray ireo vanim-potoana nomarihin’ireo hira nankafizinareo io. Nisy tamin’ireny no nanamarika tantaram-pitiavana izay mirakitra fahatsiarovana”, hoy ny nambaran’i Tovo J’Hay, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika. “Efa fotoana elaela izay no nanomananay ity seho ity. Mendrika seho goavana izany 25 taona an-tsehatra izany, indrindra fa mpanakanto manan-talenta toa an’i Tovo J’Hay”, hoy kosa i Faniry Ralamboson. Anisan’ ireo mpanakanto notaizan’ny hiran’i Tovo J’Hay izy, fa hipetraka eo amin’ny toeran’ny mpikarakara aloha amin’ity, miaraka amin’ireo namany ao amin’ny Grace Event.
Tsy ho voafintina anatin’ny ora telo mahazatra raha ireo hiran’i Tovo J’Hay rehetra, tao anatin’izay 25 taona izay. Efa namoaka rakikira valo mantsy izy, ankoatra ireo hira vao nivoaka. Tsy maintsy homena vahana, araka izany, ireo izay tena handrasan’ny mpankafy. Ho fanamarihana ihany koa anefa fa mbola mitohy ny famoronan-kira, hisy koa ny vaovao toy ny “Tsy hanaiky intsony”, izay nivoaka rakikira herinandro vitsivitsy izay. Hira maneho ilay fahamatoran’i Tovo J’Hay anatin’ny mozika, miampy ny traikefany nandritra izay taona maro izay.
Marihina fa efa nanomboka tany Eoropa ny fanamarihana ity faha-25 taona an-tsehatra ity. Nahavita seho am-polony ny tarika, ka tao France ny ankamaroany. Aorian’ny seho goavana ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, mbola hisy ny fitetezam-paritra hataon’i Tovo J’Hay sy ny tariny. Eo koa ny tetikasa hafa, toy ny rakikira manaraka.
Zo ny Aina




