Hiditra amin’ny taom-pianarana 2025-2026… Mbola tsy tafapetraka ny fampiasana ny teny malagasy ho teny hoenti-mampianatra. Tsy mbola misy didy na lalana na hitsivolana, sns, milaza izany. Ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina milaza fa « tsy misy firenena handroso avy amin’ny fampiasana ny tenin’ny hafa hoenti-manabe ny taranany ». Ny lamina voajanahary, hain’ny Malagasy sady narahiny fatratra efa hatrany ambadik’Imanareza, ny fahafantarana fa ny teny malagasy no hoenti-manabe ny taranaka mba hahatonga azy ho olom-banona. Sehetra roa goavana be ireo mametraka mazava fa mila beazina amin’ny tenin-drazany ny olombelona iray.
… Iray amin’ireo tarazo navelan’ny mpanjakazaka an-tanin’olona any amin’ny firenena giazany ny fametrahana ny teniny ho lasa tenin’ny voazanaka. Levonina tanteraka ny tenin-drazana mba tsy ahafantaran’ny taranaka aty aoriana fa manana ny maha izy azy izy. Raha io tranga io no mitohy, « afaka 15 taona raha ela indrindra, ho vahiny eto amin’ny taniny ny Malagasy. Ho lasan’ny vahiny ity Nosy ity », hoy ny mpahay sy mpandinika momba ny fiarahamonina.
HaRy Razafindrakoto




