“Jazz Friday”’, miaraka amin’i Mitahiry sy i Dô Mee. Hatao ny zoma 11 jolay izao io, ao amin’ny Arboretum Ankorondrano, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Anjoria hitetezan’ireto mpanakanto ireto ireo hira nanamarika ny jazz, na vahiny na malagasy izany. Hisokatra ho an’ny mpankafy ny sehatra, na eo amin’ny fihirana na eo amin’ny fitendrena, rehefa tsy mivaona amin’ny lohahevitra fotsiny.
Ny diamanga sy ny tontolony, no hampahafantarina anio, etsy amin’ny IFM Analakely. Hamelabelatra ny fototra ny tantara ary ny fampitana ny diamanga ny Dr allain Razakatiana. Hotohizana amin’ny fanehoana ny “diamanga vaovao malagasy”, hataon’i Parfait Rakotonindriana izany. Hofaranana amin’ny velakevitra mahakasika ny savika, izay hovoaboasin’Andriantsarafara anjara Fitiavana sy Barijaonarivelo Nirina kosa.
Alim-pandihizana ho an’ireo mandala ny kolontsaina frantsay, ny sabotsy12 jolay izao, etsy amin’ny Café de la Gare Soarano. Haka endrika ireny fanao any France rehefa ankatoky ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny 14 jolay izy ity. “Bal populaire” kokoa, izany hoe, misokatra hoan’ny rehetra anefa fa tsy ho an’ny frantsay ihany. Na izany aza, ny mozika, dia, hainahandro ary haifitafy frantsay no hasongadina mandritra izany.




