Mitohy ny fankalazana ny 50 taona: “Tsy handimby ny Mahaleo izahay”, hoy ireo taranaka

Mitohy ny “Revy Mahaleo”. Taorian’ny fitetezam-pirenena, hanohy ny fankalazana ny faha-50 taona eto an-tanindrazana ny tarika Mahaleo sy ny taranaka…

Voavaly ny kihana sy ny fanontaniana maro mipetraka! Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tarika Mahaleo, omaly, nitantara ny tontosa tamin’ny fanamarihana ny faha-50 taona, sy niresaka ihany koa ny fandaharam-potoana ho avy. Nia­trika izany ireo “taranaka Mahaleo”, izay nitondra ny fanazavana manoloana ireo resabe mandeha sy kihana isan-karazany miantefa amin’ izy ireo. Nampiditra ny resaka voalohany i Dama, izay nanambara fa “tsy nahatsiaro tena ho irery izaho sy i Bekoto niaraka tamin’ireo taranaka. Sarotrabe ny toerana misy anay satria sady sekolim-piainana no sekolin’ny mozika. Tsy hoe zanaka Mahaleo dia tokony hahay mihira sy mitendry be, saingy miezaka izy ireo”.
“Fanotronana no hataonay fa tsy handimby ary tsy hitondra ny anaran’ny ny tarika Mahaleo”, hoy ny nambaran’i Benaivo, zanak’i Nonoh, izay anisan’ireo zokiny amin’ireo taranaka. “Tsy hahavita handimby ny tarika izahay. Tsy mbola matihanina ny taranaka, mbola tsy mahay fa hiezaka kosa anefa”, hoy kosa i Pôpôly, zanak’i Bekoto. Nanamafy izany i Rôrô, za­nak’i Charle : “Mbola anaty dingana voalohany amin’ny fianarana izahay. Manaiky fa mbola sarotra na ny hira aza, saingy manome toky kosa fa miezaka hanome izay farany vita”.

Hitohy ao Mahamasina
Fotoana manaraka : Ala­hady 12 febroary, ao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Mahaleo hotronin’ireo taranaka, izay tohin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny tarika ihany. “Tohizantsika foana ny revy Mahaleo, ary mitombo hatrany ny tanora mirevy Mahaleo”, hoy i Bekoto. Fampisehoana miaina toa ny nahafantarana ny tarika hatramin’izay no hatao, ka arakaraka ny hafanan’ny fiarahana no hamaritana ny faharetany.
Seho am-polony no vi­tan’ny tarika sy ny taranaka tany ivelany. Mbola hisy tohiny any amin’ireo faritra hafa eto an-tanindrazana, satria amin’ny volana mey vao tontosa ny faha-50 taonan’ny Mahaleo.

Zo ny Aina

Partager sur: