« Mega live» : Hiray sehatra ao Mahamasina ireo ambasadaoron’ny Yas

Fampisehoana goavambe araka ny anarany no tanjona amin’ny « Mega live Yas ». Tarika malaza amin’izao fotoana avokoa ireo handray anjara.

«Rahoviana no hisy fampisehoana iarahan’ireo ambasadaoron’ny Yas ireo ? » Fanontaniana nipetraka foana izay, isaky ny nisy fampahafantarana ireo mpanakanto voafidy ho ambasadaoron’ny Yas Madagascar. Efa noketrehina tao, ka voavaly ny fanontaniana ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Andraharo.
« Mega live Yas » no anaran’ny hetsika, izay hotontosaina ny zoma 18 jolay izao, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny kianja Barea Mahamasina. « Seho faran’izay goavana, natao ho antsika fianakaviamben’ny Yas io. Na ireo mpanakanto na ireo mpankafy izay sady mpanjifa dia ho tafaraka amina fetibe iray », hoy ny nambaran’i Henintsoa R., tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny Yas, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety. Seho azo lazaina fa maimaimpoana, saingy natao ho an’ny mpanjifa Yas ihany kosa anefa, satria ny fifidianana tolotra iray manomboka amin’ny 1000 Ar no hahazoana tapakila iray.
Oladad, Shyn, Denise, Dadi Love, Stéphanie, Tence Mena, Lico Kininike, Maman’i Tsololo, Parish, Moopcan, Ceasar ary Rijade ireo ambasadaoron’ny Yas hifandimby an-tsehatra amin’ity. Mbola hisy mpanakanto tsy hampoizina hanampy an’ireo amin’io. « Hatramin’ny niarahako tamin’ny Yas no nahatsapako fa tsy tia manao raha fahatany, fa avo lenta hatrany izy. Matoa koa nosafidiana izahay dia misy handrasana aminay ao, ka hiezaka hanome ny tsara indrindra », hoy i Cea­sar, iray amin’ireo mpanakanto handray anjara amin’ny seho goavana. « Izahay efa vonona hanapoaka fa fotoana mba hanaovana an’izany io. Tsy mbola nisy ny toa izao », hoy kosa i Tence Mena.
Satria ho an’ny fianakaviamben’ny Yas manerana ny Nosy ny hetsika, hisy ihany koa any amin’ireo tanàn-dehibe 9 hafa ankoatran’­Anta­nanarivo. Fifaninanana hira sy karaoké, fanentanana isan-karazany izay iarahana amin’ny Moozik no hiseho amin’izany, any Toliara, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga, Antsiranana, Antsirabe, Fort Dauphin Morondava ary Nosy Be.

Zo nyAina

Partager sur: