Zoza Sahondrafinina Zanany : Nomena ny mari-boninahi-pirenena

Heni-boninahitra… Mendrika ka nosalorana ny mari-boninahi-pirenena, Officier de l’Ordre National Malagasy i Zoza Sahon­dra­fi­nina Zanany, omaly. Fahavelony, efa nahazo ny Chevalier de l’ordre national Malagasy izy, ary nahazo ihany koa ny mari-boninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Ho fahatsiarovana ny zava-bitany teo amin’ny sehatry ny hiragasy no nanomezan’ny fitondram-panjakana izao mariboninahitra izao, ka ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina no nampisalotra izany.
Nosafidiana manokana ny kianjan’ny Hiragasy etsy Ampefi­loha nanaovana ny fanomezam-boninahitra, satria mitondra ny anaran’ny vadiny, Ra Petit ihany koa io kianja io. Samy name­traka ny anarany izy ireo, toy ireo raiamandreny efa lasa taloha nitondra avy ny hiragasy.
Tsiahivina fa ny sabotsy izao no alevina i Zoza Sahon­dra­finina zanany, any Andohavary Amboanana, izay tanàna fia­vian’ireo mpanao hira gasy malaza.

Zo nyAina

Partager sur: