Efa nisy ilay notontosainy teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza… Hanohy izany velakevitra izany, Ranaivoson Lucien ka hiompana amin’ny fanahy anaty kalon’ny fahiny sy hiran’ny omaly ny lohahevitra.
Tafiditra ao anatin’ny fanohizana sy fanatevenana izany. Hanatanteraka velakevitra lehibe nampitondraina ny lohahevitra « Ny fanahin’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly », indray, Ranaivoson Lucien, mpandalina momba ny hira, mpihira, mpamorona ny tarika Angolan’Imerina, mpamokatra fandaharana momba ny kolontsaina sady mpanao gazety rahateo. Hetsika hotanterahina ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro etsy Antsahavola, ny sabotsy 12 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.
Amin’ny ankapobeny, hizara roa ny fotoana : velakevitra sy fifanakalozan-kevitra hiarahana amin’ireo mpanatrika. Io tapany faharoa io no hamaliana ny fanontaniana raha ny fanazavan-dRanaivoson Lucien. Anisan’ny hisongadina ao anatin’ny fizarana voalohany ny maha samy hafa ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Sady handravaka ny velakevitra no hanamafy ny fanazavana hoentin’ity mpikaroka ity ny hira hokaloin’ny tarika Angolan’Imerina. « Hanazava aho, ry zareo kosa no hihira sy haneho ary hanamafy ilay fanazavana, amin’ny alalan’ireo hira hokaloiny », hoy Ranaivoson Lucien. Marihina fa nandalo sy niaina dingana na vanim-potoana maro eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina malagasy, indrindra fa ny avy eto Imerina, izy. Zava-dehibe sy mafonja ho azy ny fizarana izany ho an’ny tanora.
HaRy Razafindrakoto




