TARATRY ny KANTO

Hetsika famoaham-boky nosoratan’i Gaëtan Andria. « Pao-droa » sady antsa tononkalo no hianoka ao anatin’ny teatra poetika. Seho hotanterahina ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny sabotsy 12 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hanatanteraka izany i Mamisa, Fahasoa­vana, Mariah, Fy, Ando, Wany.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana eto Madagasikara ny taranja malagasy. Hatra­min’izao, anefa, mbola ahitana lesoka goavana be aminy. Ny tsy fahampian’ny ora ianarana azy. Faharoa, mila ovaina ifotony ny mandrafitra ilay taranja. Omena lanja bebe kokoa ny fianarana ny fitsipi-pitenenana, ireo fomba amam-panao malagasy, ny famolahana ny lela hahay hamoaka hevitra amina fotom-pisainana malagasy manaja ny soatoavina.

Taona 2025, tsy mbola voafaritry ny Mala­gasy ihany ny atao hoe : « tsara ». Raha ny tantara sy ny angano tany ambadik’Imanareza, anefa, efa nahafantatra ny « tsara » sy ny « ratsy » ny Ntaolo. Izany hoe, very tsy eo amin’ny Malagasy intsony ny fahalalana sy ny fahaizana manavaka azy ireo. Maro ny antony niteraka izany fa ny misongadina, nihena tsikelikely ny atao hoe « fahendrena » ananan’ny Mala­gasy. Nidina ihany koa ny fahalalany.

Harena ny fahasamihafana. Manana kolontsaina sy zavakanto maro i Madagasikara. Samy afaka atolotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena avokoa izy ireny. Dingana mila arahin’ny mpanakanto sy ny tontolon’ny kanto eto an-toerana ny fahaiza-mamolaka io sehatra ivelany io. Noho izany, vaindohan’ezak’izay vonona hiroso amin’ny fandraharahana amin’ny kolontsaina sy zavakanto ny mianatra sy manatevim-pahalalana.

Partager sur: