Hira sy vakodrazana malagasy : mitrandraka ny any an-doharano ny tarika Diary

Ny miezaka mamelo-maso, mitahiry ary mampahafantatra ireo haren’ny mozika nentim-paharazana misy ma­nerana ny Nosy amin’ireo taranaka no antom-pisian’ny tarika Diary, izay niorina ny taona 2020. Mitrandraka ha­trany ifotony mihitsy ry zareo amin’izany. “Tononkira mirakitra anatra, misy vontoatiny no jarianay mba ho fanabeazana feno sahaza ny isam-baravarana. Ny trangam-piainana andavanandro (fitiavana, fiarovana ny tontolo iainana, fianarana, asa, sns) hatrany no akora fototra en­tin’ny Diary manefy ireo voka-kantony”, hoy ireo mpitarika ity tarika ahitana tanora maro ity. Arindran’ireo mpikambana amin’ny gadon-kira malagasy nentim-paharazana avy amin’ny lafivalon’i Ma­dagasikara, toy ny salegy, tsapiky, bagasy, vakodrazana, kidodo, mangaliba,vako-drazana, sns, izy ireny mba tsy haha-tompon-trano mihono ireo Malagasy lian-kanto.
Voambolana malagasy madio sy manaraka ny fitsipi-pitenena no ampiasain’ny tarika ampitana ireo hafatra ho fanomezan-kasina ihany koa ny teny malagasy izay anisan’ireo harena sarobidy tokana aman-tany mampiavaka ny Malagasy. Tsikaritr’ireo efa naheno ny sanganasan’ny tarika Diary fa : “manosika ny maro ho eny an-doharano nipoirana ary hankafy sy hanasina indray ny mozika nentim-paharazana malagasy ny ezaka efa vitan-dry zareo”.
Anisan’ireo sanganasan’ny Diary efa tsy afaka am-bavan’ny maro ny “Arahaba”, “Mpandresy” ary ny “Tafa­saraka”, ity farany izay vokatra vao nivoaka tsy ela akory. Sehatrasa ketrehan’ny tarika ny famoahana rindran-tsary vaovao sy ny fanohizana ny fanapariahana ireo sanganasany amin’ny alalan’ny seho an-tsehatra mitety faritra. Ma­lalaka amin’ny fiaraha-miasa rahateo ity tarika miezaka mitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fanomezan-kasina indray ny mozika nentim-paharazana malagasy ity.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: