Namoizana aina iray ny vokatry ny rivodoza Cheneso ho an’ny faritra Sava. Betsaka koa ny lalana simba noho ny rotsakorana betsaka. Mbola ahina ny habetsahan’ny rotsakorana ka mila mailo.
Zaza iray namoy ny ainy tany Andapa (faritra Sava) vokatry ny fiakaran’ny rano avy amin’ny rotsakorana nentin’ny rivodoza, araka ny tatitry ny BNGRC, omaly. Iray hafa ihany koa tsy hita popoka tany amin’ny faritra Diana. 2 434 ny isan’ny traboina avy amin’ny tokantrano 796. Ahitana 2224 ao Maroantsentra ary 210 avy ao amin’ny faritra Sofia.Misy olona 214 nafindra toerana mbola ao Maroantsetra ihany ary 790 ny trano rava sy/na simba. Olona dimy hafa indray no tsy hita popoka vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, omaly, araka ny fampitam-baovaon’ny solontenan’ny radiom-pirenena any Andapa sy Befandriana Avaratra. Ankizy ireo efatra voakasik’izany any Andapa noho ny rano niakatra, vehivavy iray kosa nandeha lakana no tsy hita tany Befandriana Avaratra.
Ankoatra ny fahasimban’ny fotodrafitrasa, nitondra faisana koa ny lalana. Tapaka ny lalana eo amin’ny PK 38 ao Alaotra Mangoro. Mitoka-monina koa ny distrikan’i Vavatenina noho ny fahatapahan’ny lalana mampifandray an’i Fenoarivo Atsinanana sy Vavatenina. Eo amin’ny RN 3B, betsaka ny tany nihotsaka ka mila mitandrina ny rehetra indrindra ny mpampiasa lalana.
Efa nihena ny herin’i Cheneso
Omaly maraina, tao amin’ny distrikan’i Tsaratanana no nisy ny foiben’i Cheneso. Nihena ho 35 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra manodidina ny 50 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianandrefana somary atsimo andrefana izy ka nahafaka 7 km isan’ora. Tsy misy ahina intsony ny rivotra miaraka aminy mandritra izao fivoarany an-tanety izao. Noho izany, foana avokoa ny filazana loza rehetra. Mbola hitoetra anefa ny rotsakorana betsaka (70 ka hatramin’ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora) hatramin’ny talata ho avy izao ka mety hitarika tondradrano ho an’ireo toerana marefo sy mora tondraka any amin’ireto distrika ireto: Ambanja, Bealanana, Antsohihy, Analalava, Boriziny, Mampikony, Besalampy, Mahanoro, Marolambo ary ny distrika rehatra ao amin’ny faritra Boeny sy Vatovavy ary Fitovinany. Mitoetra araka izany ny fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana, hoy ny sampana famantarana ny toetry ny andro, omaly. Tsy mbola tokony hiandriaka koa ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Antalaha hatrany Mahanoro satria mety hahatratra 3m sy sasany haavon’ny onja.
Loza fanairana amin’ny fiakaran’ny rano
Omaly maraina, nijanona ho 1,5m ihany ny haavon’ny reniranon’i Betsiboka (tetezana RN4). 0,23 m ny haavon’ ny reniranon’Ikopa ao Antafia (akaikin’i Maevatanana). Noho izany, voatazona hatrany ny filazana loza fanairana na filazana miloko maitso amin’ny fiakaran’ny rano amin’ny toerana manamorona ny reniranon’i Betsiboka : Ambatoboeny, Marovoay, Madirovalo ary Marolaona, araka ny fanambaran’ny Sampana famantarana ny toetry ny andro ihany.
Vonjy A.