Sazy ho fakan-tahaka

 

Raharaham-pitsarana be mpanaraka indrindra teto Madagasikara angamba ny mahakasika ilay mpanolana malaza, antsoina hoe Da-Willy. Nanimba zazavavikely vao enin-taona monja teny Imerintsiatosika izy tamin’ny herintaona. Nahoraka sy niharan’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny tambajotran-tserasera izy vantany vao nirefotra ny raharaha.
24 ora taorian’ny tranga, voasambotra avy hatrany ny lehilahy. Izy no mpanolana voalohany voasambotra taorian’ny nandanian’ny parlemantera sy ny fankatoavan’ny Fitsarana avo ilay tolo-dalàna momba ny famosirana. Efa tamin’ny volana marsa 2024 no niandry ny famaizana azy ny mpanara-baovao saingy omaly vao nandeha ny fotoam-pitsarana.
Tsy misy maharary mihoatra izany hoe ny vatan’ny tena voajanahary kanefa ny hafa no masi-mandidy aminy. Mbola miampy ilay an-terivozona mandra-pahafaty. Sazy mendrika ny mpanimbazimba ny hasin’ny hafa izany. Tsy ny resaka fanolanana ihany fa tokony hahakasika izay fandikan-dalàna mihatra aman’aina ihany koa.
Raha ny takaitra navelan’ny mpanolana dia tsy mbola ampy velively ny sazy nivoaka. Raha mbola nisy angamba ny fanamelohana ho faty, izay no mendrika ny olon-dratsy. Tsongoy fon’olo, tsongoy fon-tena fa marary tokoa ny mahita ireo marefo tsy afa-manoatra iharan’ny tsindrihazolena.
Sazy ho fakan-tahaka ity navoaka tamin’i Da-Willy ity. Porofo mivaingana fa tsy tokony hisy intsony ny tsimatimanota na iza na manao ahoana ny olona lasibatra iray. Tsy tokony hisafidy lava ny sazy faran’ny ambany foana ny mpitsara mamoaka didy rehefa hita sy voaporofo mazava ny heloka.
Tsy tokony hijerena tavan’olona na satam-piarahamonina ny fampiharana ny lalàna sy ny fanamelohana rehefa tokony hisy. Mitaky finiavana sy fahasahiana avy amin’ny mpitsara ihany koa tsy hanao mizana tsindrin’ila amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra.

r.r

Partager sur: