Tany amin’ny fiandohan’ny taona 80 tany no tena nahazo vahana ny « revy gilita ». Nisy fotoana nihalefy, ka tiana haverina indray izay fankafizana ny gitara izay, amin’ny alalan’ny fifaninanana sy ny « Festival Tafan-gilita ».
«Tonga i Ledama nibako gilita e, gilita manjabe… » Maro no mahay io hiran’ny Lôlô sy ny tariny io, izay nivoaka tany amin’ny taona 80 taona. Tao anatin’ny nampalaza ny gitara akostika, izay nomena anarana hoe « gilita » izany, ary vetivety foana dia voarain’ny rehetra ka hatramin’izao io. Tsy ny gitara rehetra no antsoina hoe « gilita », fa ilay akostika tadiny vy na « nylon », tsy mila herinaratra. Nisy rivotra nitsoka naneran-tany nanodidina ny taompolo 70 sy 80, ka nampalaza ny hira arahin-gitara. Nalaza tamin’izany ny « folk song » sy ny « protest song », sady nivoizana lohahevitra maro no nanasongadinana ny tendry gitara ihany koa. Toa an-dry Simon & Garfunkel, Bob Dylan, Joan Baez, Leonard Cohen, Phil Ochs, Graeme Allwright, sns, nanana ny tarika Mahaleo, Lôlô sy ny tariny, Tselonina, Levelo, Ifanihy, sns, ihany koa isika.
Mora voaray, mora ianarana, mora ampitaina ary mitoetra hatrany ireo vazo an-gitara. Antony nampirona ny mpankafy tamin’ny «gilita» izany. Tetsy andanin’izay ilay maha zavamaneno azo vingitina na aiza na aiza, mampivory ny mpinamana ary hahavitana ny hira rehetra azy. Nalaza ny hoe «ambony tamboho», entina nilazana ireo mpinamana vitsivitsy miara-mivazo an-gitara, nahateraka tarika matotra teto Madagasikara. Na dia mitohy hatramin’izao aza anefa ny fankafizana ny «gilita», nisy vanim-potoana nampalefy azy noho ny fitsoky ny rivotry ny mozika hafa, izay nampisongadina ny zavamaneno mavesatra sy elektrika kokoa.
« Tafan-gilita » tetikasa
Tany amin’ny taona 2020 no nanomboka ny tantara. Tetikasa iray teraka sy nitsiry tao amin’ny mi’Ritsoka Production izy ity. Maninona no tsy ampiarahana anaty tetikasa iray, hanasongadinana sy hamerenana indray ny «revy gilita» ireto mpitendry kalaza ireto ? Nitodika tany amin’ireo mpitendry tanora saingy efa malaza ny safidy : Hoby, Jovin, Nini Kolibera ary i Mbola Talenta. Efa mpinamana rahateo, ary samy mifanaja anatin’ny mozika, na dia samy manana ny maha izy azy aza izy efa-dahy. Teraka teo ny «Tafan-gilita», avy amin’ny fihainoana izay «tafatafa» an-gitara nataon’izy efa-dahy izay. Fandraisam-peo feon-kira, narahina fampisehoana ny voalohany.
« Tafan-gilita », festival
Taona 2025. « Aleo haverina ilay fankafizan’ny rehetra ny revy gilita. Aleo hatao tetikasa goavambe izay amin’ity taona ity », hoy Randriamampianina Hery, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny mi’Ritsoka Production. Teraka teo indray ny « Festival Tafan-gilita ». Hotontosaina ny 13 sy 14 septambra ao amin’ny Kianja Barea ny andiany voalohany amin’ity hetsika haompana manontolo amin’ny gilita ity. Ho hita mandritra ireo roa andro ireo ny fampirantiana momba ny gitara sy ny tontolony, ny velakevitra isan-karazany, ny varotra gitara sy ny fitaovana mifandraika aminy, ny fanentanana hataon’ireo sekoly mampianatra gitara, atrikasa sy fampiofanana ary fizarana traikefa, sns. Mazava loatra fa hisy koa ny fampisehoana goavana ny hariva, handraisan’ireo kalaza rehetra amin’ny « revy gilita » anjara. «Ankoatra ny maha fampisehoana, fotoana hanaovana poa-tsatroka ho an’ireo kalaza amin’ny gilita ihany koa io », hoy hatrany ny fanazavana.

« Tafan-gilita », fifaninanana
Mialoha ny hahatongavana amin’ny «Festival» anefa, efa mandeha mialoha ny fampiainana indray ilay «revy gilita». Teraka teo indray ny fifaninanana «Tafan-gilita». Natao ho an’ ireo mpitendry gilita mbola tsy fanta-daza izy ity, tsy nanavahana sokajin-taona na fahaizana, fa nomena malalaka mihitsy mba «hitafa ny gilita». Nasaina nandefa horonantsary «vidéo» misy azy mitendry gitara ireo mpifaninana, ka 183 no isan’ny fandraisana anjara voaray. 65 tamin’ireo kosa no noraisina hanohy ny fifaninanana, rehefa avy nojeren’ny vondron’ ny mpitsara ireo horonantsary «vidéos» voaray. Hiatrika ny mpitsara ary hitendry mivantana amin’izay ireo tafakatra ireo, ny 12 jolay izao, ka ny feon-kira nolalaoviny tanaty «vidéos» ihany no hataon’ireo mpifaninana. Hisy avy hatrany ny fanintsanana amin’io fotoana io. Ny 19 jolay kosa ny dingana manaraka, ka hisafidy hira izay tiany ireo mpifaninana, entina handresen-dahatra ireo mpitsara.
« Tafan-gilita », fandaharana
Haka endrika fandaharana amin’ny fahitalavitra ihany koa ny fifaninanana « Tafan-gilita », mba hanarahan’ny mpankafy isan-tokantrano. Efa nandeha ny faran’ny herinandro teo ny fandaharana voalohany. «Natao izao mba hiteraka ilay fiaraha-mirona, fiarahana mankafy indray ny gilita. Na vao andiany voalohany aza dia azoko antoka fa ho tratra izay tanjona izay», hoy ny nambaran’i Niry Ravelojaona. Mpanentana ny fandaharana ara-javakanto tao amin’ny TVM, toy ny «Havoria » no tena nahalalan’ny maro azy. Ray mpiahy ny «Tafan-gilita» kosa izy, ary anisan’ny tompon-kevitra amin’ ny fandaharana. Mandeha amin’ny fahitalavitra TVM sy Real TV izany, ankoatra ny anaty tambajotran-tserasera.
« Tafan-gilta », mpitsara
«Tena mahavelom-bolo satria mahay avokoa ireo nifaninanana», hoy i Mbola Talenta taorian’ny fifantenana ireo «vidéos». Anisan’ny mpitsara ny fifaninanana «Tafan-gilita» izy. «Sahirana ihany izahay satria tena mahay gitara ry zareo. Naoty natambatra no nomena ka teo no nampihintsana», hoy kosa i Jovin, mpitsara faharoa. «Manana lenta avo be ireo mpifaninana ireo. Ho tsara ity lalao ity», hoy kosa i Tojo Guitariste, mpitsara fahatelo. Lalao tokoa na fifaninanana aza, ary efa nampiseho sahady ilay endrim-pirahalahiana, lalan-tsaina voizin’ny «revy gilita» ireo mpifaninana, nandritra ny fotoana nanomezana azy ireo ny andinindinin’ny fifaninanana.
«Mbola hisy mpitsara hafa hanampy ireo, mety ho ireo efa kalaza amin’ny « revy gilita » no antsointsika hifandimby eo », hoy kosa i Hiary Rapanoelina, izay tale ara-javakanton’ny « Tafan-gilita ».
« Tafan-gilita », loka
Gilita Taylor iray ary Takamine iray. Ireo no tena loka goavana amin’ny fifaninanana. Gitara anisan’ny lafovidy indrindra ary nafarana manokana ho an’ireo tena maharesy lahatra ny mpitsara izany. « Izaho koa mba maniry te hahazo Taylor izany, fa ho anareo hifaninana aloha ity ka himasoy tsara », hoy ny torohevitr’i Jack Thierry, izay mpandrindra ankapoben’ny fifaninana sy ny « festival ». Ankoatra izay, ireo 10 voalohany tafavoaka amin’ireo dingana telo dia hiaraka hitendry gilita amin’ireo kalaza, mandritra ny « Festival » ny 13 sy 14 septambra. Sady dingana famaranana ny fifaninanana izany, ka eo no fantatra izay ho mpandresy. Mazava loatra fa tsy hijanona eo amin’ny fanomezana loka fotsiny, satria trano mpamokatra kanto ny mi’Ritsoka Production. Mety hisy ny fandraisana an-tanana ireo izay te hanohy ny lalany amin’ny mozika, aorian’ny fifaninanana.
Nanatontosa : Zo ny Aina Randriatsiresy




