Fialantsasatry ny mpianatra: Tsy afa-mivelatra amin’ny kolontsainy ny tanora

Miala sasatra ny mpianatra. Manao izay tiany hatao ? Raha ny tokony ho izy, tsy mifanalavitra amin’io. Saingy, maro ihany koa ny tsy afaka ataony. Iray amin’ireny ny kolontsaina sasany. Ny faniriana betsaka fa ny fanatanterahina, mbola tena sarotra.

Ny hanatanteraka fialan­tsasatra iarahana, efa tena sarotra. Ny handeha hivoaka ny tanàna nahazatra, vao mainka hanahirana noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana… Ao an-trano, sisa, no miala vonkona. Manao izay heverina ho fialamboly mety ho vitan’ny tena. Olana mianjady amin’ny mpianatra ireo, rehefa tonga ny fotoam-pialantsasatra lehibe.
Na ao aza ny faniriana hi­verina amin’ny fototra. Zary mijanona hatreo amin’ny fahenoin’ny sofina fotsiny izany, satria, tsy afa-mivelatra amin’ny kolontsiny ny tanora noho ny antony tsy miankina aminy. Te hilalao fanoroana, katro… Tsy hita ao amin’ny ankohonana na eo amin’ny fiarahamonina izay hitari-dalana. Tsy maintsy handeha lavitra ? Te hianatra dihy malagasy, hitendry valiha, hampiady ravina. Na ny ambilombazam-pahalalana momba ireo aza tsy ananan’ny mpiray tanàna. Na ny toerana hampiadiana ravina, tsy misy.

Mijanona ho fikasana fotsiny ihany

Raha ampiasaina hianarana kolontsaina sy zavakanto malagasy ny fialantsasatra lehibe tahaka izao. Mbola mitady mpampianatra. Handoa saran-dalana. Handany vola sy fotoana, sns. Ny fiverenana any an-tsekoly, anefa, mbola miandry. Saram-pisoratana anarana, saram-pianarana, fividianana fitaovam-pianarana… Mijanona ho fikasana fotsiny ihany ny an’ny ray aman-dreny na ny raiamandreny sy ny an’ny tanora.
… Iray amin’ireo dingana fiverenana ifotony ny fanomezana ny tanora fialamboly ampy sy sahaza ny soatoaviny. Anisan’ izany ny kolontsain-drazany na ny kolontsaina malagasy. Toko­ny hanana toerana na fotodrafitrasa mendrika izany ny tanàna na vohitra tsirairay. Tokony hanana vatonamelankafatra hampianatra sy hanoro ary hitari-dalana amin’ireny fialamboly na kolontsaina na zavakanto ireny ihany koa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: