« Manal’azy vita Bacc »: Hanapoaka an’Antsahamanitra ny Olombelo Ricky

Hatao ny 25 jolay 2025 ho avy izao ao Antsahamanitra, ny fampisehoana goavana «Manal’azy vita Bacc» ataon’ny Olombelo Ricky. Toerana efa nahazatra ny mpankafy maro nifandimby, nisantarana ity hetsika fanaon’ity mpanakanto ity isan-taona ny ao an-toerana, nanomboka ny taona 90. Izay tsy mbola mety afaka ao am-pon’ny taranaka maro ni­fandimby. Fotoana hihao­nan’ny tanora sy ny hafa, sady hialana voly aorian’ny fanadinana bakalorea. Hanomboka amin’ny 6 ora hariva ny fampisehoana, haharitra adiny 3 hatramin’ny 4 ora.
Araka ny fiteny andavanandro, ho azo antoka fa ho hapoakan’ny Olombe Ricky ny ao Antsahamanitra amin’io fotoana io, araka ny hita sy ni­seho isaky ny «Manal’Azy vita Bacc » hatramin’izay.
Manohana mivantana ny Manal’Azy vita Bacc» ny Airtel Madagasikara. Satria mifanandrify amin’ny fanohanana ny tanora. Miraiki-po amin’ny kolontsaina malagasy ny orinasa, manome lanja ny mozika eto an-toerana sy ny any ifotony, toy ny mpanakanto fanta-daza ny Olombelo Ricky, mampiroborobo ny in­dostrian’ny kolontsaina eto amin’ny firenena.
Nohamafisin’ny Tale jeneraly ny Airtel Madagasikara, Anne Cathérine Tchokonté, fa «homena hasina sady ho ve­lomina ny zava-drehetra arovantsika. Havoitra ny ango­von’ny tanora, ny haren’ny kolontsaina malagasy. Tsy ho hadinoina mandrakizay ny fotoana hiarahantsika. Eo anilan’ny tanora mandrakariva isika, hanomezana azy ireo traikefa miabo sahaza ny re­hetra ».

Gix

Partager sur: