Isika miara-mientana !

 

Mangingina ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Malaza ny fitetezam-paritra hataon’ny Filohan’ny Repoblika mivady sy ny delegasionina izay tarihiny. Mahoraka ny politika manakaiky vahoaka. Izay rahateo ny fanamby napetraka tamin’ny fampielezan-kevitra, mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena, fotoam-pitondrana faharoa “ Rajoelina”.
Anisan’ny mahavelom-bolo ny any amin’ny faritra ny fomba fiasa tahaka izany. Tsy mivangongo eto an-drenivohitra ny sosialim-bahoaka, izay andrasan’ny vahoaka malagasy tsivakivolo. “Tsy Antananarivo irery i Madagasikara”, hoy ny fiteny mahazatra. Marina izany! Mila ny raimandreny mamangy ny zanaka ny mponina any ifotony.
Mba mahagaga ny fisian’ireo mpimenomenona sy manome tsiny ny fidinana eny ifotony tahaka izao. Lazaina fa fandaniana volam-bahoaka sy ny mpandoa hetra, hono? Olom-panjakana, mamita iraka ofisialy anefa izy ireny. Hafa indray raha toa ka hamangy fianakaviana, na handeha hiala sasatra manokana. Mendrika ny ho vangivangiana ny Malagasy tsy ankanavaka.
Porofon’ny fitiavan-tanindrazana ny zava-drehetra tarihin’ny filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao. Fanatanterahana ny toky nomena ho an’ny mpifidy na ny tsy nifidy ihany koa. Tsy vitan’ny mitsidika fa mitondra voan-dalana sy mametraka tantara amin’ny fotodrafitrasa izy sy ny fitondrana izay tarihiny. Tsy azo atao ambanin-javatra velively ny ezaka efa natomboka sy vita ary, tsy maintsy hovitaina.
Etsy ankilan’izany, mitaky firaisankina amin’ny olom-pirenena rehetra anefa io. Taon-trano tsy efan’ny irery ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Mila fifanoloran-tanana na avy amin’iza na avy amin’iza. Tsy maintsy miara-mirona amin’ny olom-pirenena tsivakivolo ho an’ny fampandrosoana an’ity firenena malalantsika ity.
Tsy anjaran’ny filohan’ny Repoblika samirery, fa anjaran’ny vahoaka tsy mandady harona izany adidy masina izany. Ny rehetra mifanome tanana no hanatrarana ny tanjona faran’izay aingana.

r.r

Partager sur: