“Ambony tamboho” ny filazana azy taloha… Ireny revy ireny ihany no nentina nandritra ny “Revirevy mody masoandro”, ary nahitam-pahombiazana izany, ka hotohizana.
Mahaleo, Lôlô sy ny tariny ary Samöela. Nahoana moa no hanova, kanefa efa nahitam-pahombiazana ? Ireo ihany no notazomin’ny mpikarakara avy ao amin’ny Louvto Company, hanafana ny « Revirevy mody masoandro » andiany faharoa, izay hotontosaina ny 27 jolay izao, eny amin’ny tokontany malalaky ny CCI Ivato hatrany.
Bekoto, Dama ary ny Mahaleo Tanaraka, no hamerina sy hamelona indray ilay « Revy Mahaleo ». «Anisan’ny nanome sehatra anay hatramin’ny nanombohany ity “Revirevy mody masoandro” ity, izay nanehoanay ihany koa ilay fitohizana. Izaho sy i Bekoto mampita amin’ireo taranakay, izay miaraka an-tsehatra aminay mizara ilay “Revy Mahaleo” ho anareo. Ankoatra ny fitohizan’ilay revy anefa, mikatsaka ny fanatsarana hatrany ny Louvto Company, ka mety aminay izany», hoy ny nambaran’i Dama, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety. Mba hahafeno tsara ny tolotra, hampian’i Tojo Guitariste sy i Bibs izay manaingo ireo hira amin’ny saxophone.
“Tiako manokana ary angatahiko amin-dry zalahy Lôlô sy ny tariny ireto no hanaovana ity hira ity”, hoy i Dama nandritra ny seho tamin’ny taon-dasa. Ilay hira “Amin’ny anaran’ny tolona”, nahabe resaka ka hialan’-dry Bebey sy Benny hatrany ny manao azy… Fa natao ho fahafaliam-pon’ireo mpankafy anefa izany, ary anisan’ireo mbola hantenaina ho heno amin’ity fiarahana manaraka ity. “Ireo hiranay be mpankafy no alahatra, ankoatra ireo izay iarahan’ny rehetra eo”, hoy i Benny sy ny fahatsorany.
Mbola revy hafa koa ny nahita an’i Dama sy Bekoto nihira Samöela. Anisan’ireo nandimby sy nitondra avo ny vazo miteny sy ny vokatry ny tany koa mantsy i Samoëla, ka nety tsara ny fandaminana ho an’ny mpankafy. “Noraisinay avokoa ireo lesoka tamin’ny taon-dasa, mba hanatsarana ny amin’ity. Anisan’izany ny lafiny fitaterana, ka hisy fiara iombonana halaminay manokana amin’io”, hoy i Malala avy ao amin’ny Louvto Company.
Zo ny Aina




