Tontolon’ny dihy : Hifarana anio ny « Evasion Danse » III

Iray amin’ireo hetsika lehibe momba ny dihy tanterahina eto Madagasikara ny Festival Evasion Danse. Tamin’ity taona 2025 ity ny andiany faha-3 izay nahitana fifanakalozana, fampisehoana, fampiofanana, sns. Hifarana anio eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ny fandaharam-potoana. Hanom­boka amin’ny 2 ora ny fifaninanana ahitana an’ny Arangao « Kiry », Mad’Anim « Fruits des bois », Adm « Faravavy », Street Squad « Outside the box », projet D.I.H.Y « Nofy : La matrice de l’illusion ». Hanomboka amin’ny 6 ora hariva kosa ny famondronana eo amin’ny « Masterclass » amin’ny mozika.
Anisan’ny hetsika mitondra fivelarana lehibe eo amin’ny tontolon’ny dihy sy ny fikarohana momba izany eto Ma­dagasikara ny « Evasion Danse ». Misy hatrany ny zava-baovao na ho an’ny mpikarakara na ho an’ireo mpandray anjara. Omena lanja rahateo ny seha-pamoronana sy ny aingam-panahin’ny tsirairay, eo amin’ny tontolon’ny dihy. Marihina fa ankoatra ny avy eto an-toerana, nizara ny traikefa ananany ihany koa ny vahiny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: