11 Jolay 1997 – 11 Jolay 2025. Nitsingerina, omaly, ny faha-28 taona nahafatesan’i Randja Zanamihoatra na « Ilay poeta marolafy ». Velona mandrakariva ny soratra napetrany. Hianoka izany ny rehetra manomboka ny 17 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. « Ako sy feo », fampirantiana tafiditra ao anatin’ny faha-100 taonan’ity andrarezin’ny soratra ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fiantsana tononkalo, ny sabotsy 19 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Antsa nampitondraina ny lohahevitra « Randja, Ilay poeta marolafy ». Ny talata 23 jolay, amin’ny 10 ora maraina. Velakevitra « Ny fahitako an’i Randja Zanamihoatra sy ny asa sorany » hiarahana amin’i Diadema, mpankafy Randja. Hitohy ny alarobia 30 jolay izany ka ny Dr. Radanielina Radoheninjo, mpampianatra, no hamelabelatra sy hanazava momba ny lohahevitra « Ny tsiambaratelon’i Randja Zanamihoatra hita taratra ao amin’ny « Sompitra Randja Zanamihoatra » ».
Marihina fa ho hita sy ho re eny amin’ny Trano Sary Ambohidahy mandritra ny « Ako sy feo » ireo aingam-panahy (mpanoratra, mpanakanto, mpankafy kanto) nateraky ny famakiana ny sanganasan’i Randja Zanamihoatra. Anisan’izany ny tononkalo, sary pika, sary sokitra… Tsiahivina fa ny 27 mey 2025 teo no nanokafana ny fankalazana ny faha-100 taonan’i Randja Zanamihoatra, tao amin’ny efitrano Dox Reanombokim-pirenena Anosy.
HaRy Razafindrakoto




