Tsy misy jamba toy izay minia mikimpy, tsy misy marenina toy izay minia tsy mihaino. Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay izay? Mbamin’izay ataony, izay kendreny… Tsy mahavita na inona na inona ny fitondram-panjakana, raha ny fijerin’ny mpanohitra sasany? Eo ny vahoaka mahita sy mahatsapa ary mitsara izay iainany: efa misy fihatsaram-piainana, mihena ahay ny fahasahiranana… ? Raha ny mpanohitra, tsy ny fahasahiranam-bahoaka no olana aminy; eny, na toa tanisainy lava aza: itsikerana sy anakiviana ary anozongozonana fitondrana, atao izay ahazoana fanjakana…
Tsy ny fahantrana no olana na fahavalo amin’ny mpanohitra, fa ny mpitondra: olona no atao olana. Ny tena ihany no mahalala izay tokony hatao eto amin’ny tany sy ny fanjakana? Mahay sy mahavita izay mahasoa ny vahoaka… Nefa tsy toloran-kevitra sy ampiana amin’izany izay ampindraman’ny vahoaka fahefana tamin’ny alalan’ny fifidianana, fa finganina aza. Tsy izay hampandroso ve no atao? Tsy misy ilana sy anaovana fifidianana, raha tsy iandrasana tantana amin’ny fifandimbiasam-pahefana mazava sy milamina. Nefa ny tena mandray anjara mandrakariva amin’ny fifidianana.
Loza iray, loza roa… Tsy hajaina sy tsy iandrasana tantana mandrakariva izay fifidianana izay? Misy maika tsy faingana amin’izay mahamaika azy dia minia mikimpy, manao hitsin-dalana, miteniteny foana… Ho tonga hatraiza? Eo ny vahoaka mahita sy mahatsapa ary mitsara izay iainany: hirona mankaiza? Izay no olan’ny manao politika sasany amin’izao: olona no atao olana, na ny mpitondra na ny vahoaka tsy azo amin’izay andranitana sy itaomana azy. Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka. Ary ny mpanohitra? Miankina na arakaraka ny vahoaka ihany koa… Tompom-pahefana, tompon’ny teny farany.
R. Nd.




