Hip Hop : Da Hopp sy Fab, namaky lay ny Rap Gasy

Mbola ireo ry zalahy… Da Hopp sy Fab, tarika roa nivoy sy nampiakatra avo ny rap teto amin’ny tanàna, notohi­zan’ireo zandry ankehitriny.

MCM Boyz. Nahalala izany anarana tarika izany avokoa, rehefa mpikifa rap tany amin’ny taona 95 tany… maromaro ireo tropy niforona tamin’io vanim-potoana io, nirona tamin’ny hip-hop, ka ny fandihizana rap no nironana voalohany tamin’izany. Saingy nisongadina tao anatin’ny maro ny MCM Boyz, satria nivoaka ho mpandresy hatrany tamin’ireo fifaninanana dihy hip hop izay nisy rehetra. Niara-dalana tamin’izay, nanomboka niditra lalina kokoa, na nisafidy ny hihira rap amin’ny teny malagasy ny tarika. Teraka teo ny tarika Da Hopp…
Tsy misy afaka mandà, fa ny Da Hopp no namaky lay voalohany ny rap gasy, ilay hiraina amin’ny endriny nifandovana hatramin’izao io. “Tsy ny Da hopp fa ny tarika Fab anefa no tena nanainga ny rap teto amin’ny tanàna. Marina fa nihira tamin’ny teny frantsay sy teny anglisy ry zalahy, fa izy ireo no nanomboka azy”, hoy ny fanazavana nomen’i Tax, nandritra ny fihaonana ny alahady teo, tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo.
“Nisafidy fotsiny izahay ny hanohy ny rap amin’ny teny malagasy, ary nanomboka izany. Fa mbola ry Fab aza no namokatra ny hiranany voalohany”, hoy kosa i Ben J, nitantara ny niatombohany. Mbola nohamafisin’i Tax fa nosokafan’ny tarika Fab ho an-dry zalahy ny trano fandraisam-peo, nanaovan’ny Da Hopp ireo hirany nametrahany ny anarany voalohany.
“Tianay ny hampatsiahy ny tantara ka hisaotra an-dry zalahy Fab, satria izy ireo no nanomboka sy nanoro lalana ho anay”, hoy hatrany i Tax. “Samy nametraka teo amin’ny lafiny feo izahay, ary samy nampita izany tamin’ireo zandry taty aoriana”, hoy kosa ny fanazavan’i Tsiresy, ao amin’ny tarika Fab. Tsy nitsahatra izay fifandraisana akaiky teo amin’ny tarika roa tonta izay, 35 taona aty aoriana. Azo antoka fa hisy tetikasa iaraha-miasan’ny Fab sy ny Da Hopp ato ho ato. Mialoha izany, efa nivoaka ary azo jifaina sy henoina ao amin’ny Spotify ny rakikira “Firstable” an’ny Fab. Ao amin’ny Moozik kosa ny “Fanantenana”, rakikiran’ny Da Hopp. Ankoatra izay, anisan’ireo tarika voafantina hanafana ny hetsika ho fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin’ilay raharaha “Ampa­moi­zankova”, nianjeran’ny fiaramanidina DC3 ry Da Hopp. Hotontosaina ny 18 jolay izao io, ao amin’ny Coliseum An­tsonjombe.

Zo ny Aina

Partager sur: