Mpianatra mozika miisa 83, no nahazo ny diplaomany, ny alahady teo. Nandranto fianarana tao amin’ny Conservatoire de musique EGM izy ireo, arakaraka ny sokajim-pampianarana nofidiany avy. Fara-fahakeliny nahavita 3 taona nianatra mozika izy ireo, vao tonga amin’izao dingana izao. Naka endrika fampisehoana ny lanonana, izay nampisehoan’ireo mpianatra izay norantoviny miampy ny talentan’ny tsirairay.
Nodimandry Ikalamahia… Izay no fiantsoan’ny maro azy, ao amin’ny tontolon’ny fikarakarana hetsika, ny famokarana ara-javakanto ary ny fanentanana amin’ny haino aman-jery. Nandao ny tontolo omaly maraina Rajaonarivelo Manantsoa, na i Néné na koa hoe Ikalamahia. Sekretera jeneralin’ny fikambanana Tech Anim Mada, ivondronan’ireo mpanentana sy mpikirakira ny lafiny teknika amin’ny haino aman-jery izy. Mpiasa ao amin’ny Be Mozik an-taonany maro koa ary nanaraka ny tarika Samoëla nanomboka ny taona 1998.
Hamoaka boky roa i Libertador. “Eco-poéthérapie de la réalité colorée” ny voalohany, ary “Lîle aux parfums» ny faharoa. Hanamarihan’ity mpanoratra ity ny vokatry ny ketrika nataony nandritra ny 7 taona izany. Hisy ny fitafana mivantana rahampitso alarobia, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hifarimbona hanazava ireo sanganasa mandritra izany i Libertador, Dr Juliana Lovatiana, Elie Ramanankavana, Na Hassi ary Tania Lemainty.




