Tafajoro tamin’ny fomba ofisialy eny amin’ny kianja Barea, Mahamasina, omaly, ny Ivontoeram-pibaikoina (Centre de commandement opérationnel – CCO) ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc.
Hiainga amin’izany avokoa ny fandrindrana ity fivoriana iraisam-pirenena horaisina eto Madagasikara ity.
Anisan’ny mpikambana ao anatin’izany ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Eo koa ny avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika, izay manome ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Omaly ny fivoriana voalohan’ny eo anivon’ny CCO. Manomboka izao, miainga amin’ny CCO avokoa ny fandrindrana ny asa rehetra amin’ny fanomanana sy fanatanterahana ny fihaonana an-tampony, izay hatao eto Antananarivo ny 3 ka hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao.
Fiarovana sy filaminana…
Asan’ny CCO ny fandrindrana ny lafiny fitaovana rehefa amin’ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony, ohatra, ny filaminana, ny fitaterana, ny serasera, ny fifandraisana amin’ny any ivelany, ny arofenitra, ny fampiantranoana… Eo koa ny fitsidihana toerana manan-tantara, ny varotra fampirantiana, ny hetsika ara-kolontsaina…
Tsiahivina fa anisan’ny tanjon’ny Sadc ny fampiroboroboana ny sehatry ny toekarena sy varotra amin’ireo firenena mpikambana. Eo koa ny fampandrosoana maharitra eo anivon’ny vondrona sy ny fampanjakana ny filaminana sy ny fitantanana mangarahara. Lohahevitry ny fihaonana an-tampony izao ny hoe: Fampiroboroboana ny indostria sy ny fanovana amin’ny fambolena ary fiovana amin’ny angovo mba ho Sadc afa-miatrika ny zava-misy ankehitriny.
R. Nd.




