Fivelarana maha olona : Matahotra mampiasa talenta ny Malagasy ?

Mampiaiky maneran-tany, « manan-talenta ny Malagasy ». Tsy tokana fa maro saika isan-tsehatra. Samy ahitana io talenta io avokoa. Iray amin’ireny sady anisan’ny goavana indrindra ny zavakanto sy ny kolontsaina.

Harena ny fahasamiha­fana. Hita eo amin’ny fananana talenta izany. Manan-talenta ny Malagasy. Amin’ny ampahany ihany, anefa, ny ahatazanana azy io. Rehefa eny an-tsehatra, ohatra, no misongadina fa mahay mihira na mitendry zavama­neno, sns, ny Malagasy iray. Matetika, tsy tazana loatra eo amin’ilay fivelarana amin’ny maha olona (fo, saina, vatana, fanahy) izany. Ireo antsoina ho mpanakanto, toa tsy ahitana zava-misongadina loatra amin’ io fivelaran’ny maha olona io. Na, raha misy, mijanona hatreo amin’ny laza ihany. Maro, ohatra, ireo lazaina ho mpanakanto no maty mahantra. Matahotra ny mampiasa na ny hampiasa ny talentany ny Malagasy ? Marina amin’ny ampahany ihany io. Tia mampiasa ny talentany ny Malagasy, saingy, matahotra ny hanainga izany any amin’ny fototra.
… Zavakanto sy fivelarana ny maha olona. Itoeran’ny ta­hotra tafahoatra ny Malagasy, hany ka tsy manana ilay ko­lontsaina tia mampivelatra ny talentany. Tahotra ny tsy ho tian’ny « mpankafy » na ny mpanjifa ny kanto. Tahotra ny tsy haharesy lahatra ny vahiny, hany ka ny fanovana ny fototra, lazaina fa fanatsarana. Vitsy ihany ireo manana fahasahiana maneho ny maha izy azy sy ny maha izy ny kanto ataony, hany ka very any anatin’ny ankosotra ilay talenta… Tsy mivelatra.
Marefo sy mahantra i Ma-dagasikara. Manaraka izany ny fanehoana ny talenta. Tsy voatery hanome fahafaham-po ny « matanjaka », anefa, ny fampivelarana ny talenta. Tsy maintsy ampiarahina amin’ny fanatevenam-pahalalana sy fianarana ny fanaovana izany. Ny fanarahana ny toetrandro tsy tokony hanimbana ny fototra. Raha hay ny mampiaraka ireo. Tsy hatahotra ny hampiasa ny talentany ny Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: