Fahasahiana sy finiavana  

Miakatrakatra ny maripana sy ny tsindry ataon’ny olona amin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny resaka fanapoizinana teny Ambohimalaza ka nahafatesana olona 29 ary mbola misy 24 miady amin’ny fahafatesana. Mifamahofaho diso tafahoatra ny vaovao ka mila mangaraharaha kokoa. Efa manao izay ho afany ny mpitondra fanjakana amin’ny alalan’ny manampahaizana fa mbola tsy mahafa-po ny mpitazana.
Toa miandry zavatra hafa mihitsy ny olona, indrindra ny mponin’Antananarivo. Na tsy namana, tsy havan’ny namoy ny ainy aza izao dia mampiaka-peo andro aman’alina, eny amin’ny fiarahamonina rehetra eny. Samy miresaka ilay tranga sy ny fivoarany amin’izao fotoana izao. Samy miandriandry izay ho fipoahany rahampitso sy rahafakampitso. Inona no hiseho, ahoana ny raharaham-pitsarana?
Ny mpanao politika moa ireny efa nijapy ny lamasinin’ny filomain’ny mpikirakira tambajotran-tserasera. Mivoaka i ranona, miteny i ranona, samy milaza ho tsy mpanao vain-drahalahy tsy marary avokoa. Efa mandeha ny famotorana, mihazakazaka ny fanadihadiana. Asa, hatraiza no hiafaran’ity fety nivadika ho fisaonam-ben’ny fianakaviana maro ity?
Aparitaka avokoa ny fandrebirebena saim-bahoaka ataon’izatsy milaza fa mpisintona lakolosy matihanina izatsy. Vantany vao miseho ny trangam-piarahamonina iray, vetivety ny famadihana an’iny ho raharaham-panjakana mihitsy. Hatao izay hampifandraisana ny toe-javamisy iray, amin’ny fikasana hanozongozona fitondrana. Hikoha-maina aza atao mainka fa mahita irika toy izao.
Izay anefa no tokony hametrahana ny etika, ifanaraka amin’ny filan’ny sarambabem-bahoaka fa tsy baikoin’ny tombontsoa manokana. Mitombina ny fanamarihana ho an’ny tomponandraiki-panjakana tokony hamboraka ny zava-miafina raha misy, na ho an’ireto te hamboly korontana mety hitarika krizy sosialy hafa ho an’ny vahoaka ireto.
Mitaky finiavana sy fahasahiana ny zava-drehetra mba hirindran’ny fiarahamonina sy hivahan’izao fifandroritana lavareny izao.

r.r

Partager sur: