Mpanoratra teratany malagasy, saingy miasa sy monina any ivelany, i Nirina Ralantoaritsimba. Handalo an-tanindrazana, hizara ny traikefany mahakasika ny tontolon’ny boky izy. Anisan’izany ny atrikasa izay hotarihiny ny sabotsy 19 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Mahakasika ny asa maha mpanoratra no hovelabelariny mandritra izany. Asa mihitsy fa tsy fanehoana talenta fotsiny mantsy ny maha mpanoratra any ivelany.
Aorian’izay, hitarika atrikasa miteraka famoronana ihany koa izy, ny zoma 26 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora. Mahakasika kokoa ny lova, ny filaroana ary ny fahafahana kosa no hovoaboasany amin’io. Tohin’ny hetsika izay nokarakarain’ny Opération Bokoko tamin’ny taon-dasa, tao amin’ny Sambalia Antsahavola, izy ity. Niresahan’ny mpanoratra ireo boky roa efa navoakany, dia ny « Nous sommes les ancêtres de ceux qui ne sont pas encore nés » nivoaka ny 2017, et «Multidimensionnelle, et vous ?» nivoaka ny taona 2021. Taorian’io fandalovany io, mbola namoaka ny bokiny fahatelo, « En Californie, les Français écrivent leur ruée vers l’or 1848 – 1915 » ihany koa i Nirina R. Porofo ireo fa mivelatra amina lohahevitra sy karazana fironana amin’ny famoronana izy. Anisan’ireo hozarainy ho an’ireo liana izany.
Zo ny Aina




