Ny anaran’ny sekoly, mampody mandry. Ny vokatra azo, mampisitri-belona. Ankehitriny, maro loatra ny varo-draikiraiky, fitaka sy tsy fahamatorana mianjady amin’ny fampianarana zavakanto. Vao maheno ny « intelo mianatra dia efa mahita vokatra » ny ray aman-dreny. Dodona sy maika handefa ny zanany hianatra zavamaneno, kabary, sary, sns. Mivadika ny volana, atao eny an-tsehatra ny fampisehoana na ny fampirantiana. Feo mivalambalana be tsy hita izay handraisana azy. Ny figadon’ny hira sy ny zavamaneno, tsy mandeha amin’ny laoniny. Tahaka izany koa ny kabary. Na, manao boloky mamerina ny nambara taminy. Na miteniteny foana, tsy mahafantatra akory izay teneniny… Tsy tonga any amin’izay neritreretina ho dingana vita ny mpianatra. Satria, be loatra ny doka. Ny fahalalana ananan’ny ray aman-dreny sy ny ankizy na ny tanora momba ny zavakanto, rahateo, efa zara raha misy. Vokatr’ireo, manjaka ny varo-draikiraiky.
Ny tranga tahaka ireo no ahafahana milaza fa sodokan’ny endrika ivelany fotsiny ny Malagasy. Nanary ny fahaizany manadihady, mandinika, mieritreritra, mamakafaka, mandanjalanja, sns. Miha maivana andro aman’alina ny fahalalana ananan’ny Malagasy, hany ka izay manana endrika ivelany heveriny fa tsara sy manintona no « tena zavatra ». Hita taratra eny amin’ny fiarahamonina fa nanjary mpihinana amam-bolony ny Malagasy.
HaRy Razafindrakoto




