100 taona izy, raha mbola teo. Mbola maro anefa ireo tsy fantatry ny rehetra momba ity mpanoratra marolafy ity sy ny tontolony. Misokatra ho an’ireo liana ny fampirantiana ny momba azy.
Angamba izy no Malagasy mpanoratra, nahasarika mpikaroka maro indrindra… Kanefa dia mbola maro ireo zava-baovao mivoaka tsikelikely, indrindra ireo asa sorany nipirimpirina tany, tsy nivoaka ho boky. Anisan’ ireo haranty etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy izy ireny, nanomboka omaly. “Randja Zanamihoatra, ilay poeta marolafy” rahateo ny lohahevitry ny fampirantiana, izay maneho ny tontolo nivelaran’ ity mpanoratra ity fahavelony ka hatramin’izao.
“Entaninay fianakaviana ianareo hamantatra ny ampaham-piainany, anatin’ireo tahirim-pianakaviana izay zarainay am-pitiavana”, hoy ny nambaran-dRandriamanjara Nobel, zanak’i Randja Zanamihoatra, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony, omaly. Ahitana ireo boky efa navoakan’ity poeta sady mpanoratra ity ireo. Tazana ao ny “Vainafo tononkira”, “Ny lehilahy”, sns, izay boky tsy fahita firy intsony. Fa ny tena mahaliana ny rehetra dia ireo asa soratr’i Randja Zanamihoatra, tsy mbola nivoaka ny tahirim-pianakaviana, izay manamafy indray ilay maha poeta marolafy azy.
“Poeta, mpanoratra miavaka amin’ny lahatsoratra famotopotoran-kevitra, filozofika, nandinika ny ara-panahy, ny tononandro sy ny vintana, ny tontolon’ny kintana ary indrindra nanome lanja ny maha malagasy izy. Niavaka indrindra tamin’ny nataony ihany koa ilay hoe salo-panahy, izany hoe fanahin’ireo mpanoratra teo aloha efa maty no voiziny anatin’ny famoronana ka soloiny tena”, hoy Rakotomavo Tsiky, tale misahana ny maha izy ara-kolontsaina eo anivon’ny minisitera.
Hita taratra tamin’ireo antontan-taratasy mirakitra ny asa sorany ireo ny maha mpihevitra, mpamakafaka, filozofa, psikology, mpahita, mpandala ny ara-panahy, sns, an’i Ranjda Zanamihoatra. Harena be ireo, ho an’ny hoavin’ny literatiora malagasy. “Miezaka mijery ny singa rehetra mandrafitra ny kolontsaina malagasy ny minisitera. Tafiditra ho harembakoka literera ny sangasan’i Randja Zanamihoatra. Manao izay hitandrovana izany, sy hampitana azy amin’ny taranaka ny minisitera, izay miara-miasa akaiky amin’ireo anatin’ny sehatra”, hoy ny nambaran’ny sekretera jeneraly, Rakotondrasoava Fetra, omaly.
Zo ny Aina




