TARATRY ny KANTO

Fifaninanana vakiboky ho an’ny faritra Anala­manga. Notolorana mari-pankasitrahana omaly, ireo nandresy, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fifaninanana nokarakarain’ny ONG Diary Nofy izy ity,
niarahany tamin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Mpianatra avy eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra ireo nifaninana, ka ireo telo voalohany no hisolo tena ny faritra Analamanga mandritra ny fifaninanana nasionaly amin’ny vakiboky.

“Yas Mega live”, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Anio amin’ny 6 ora hariva ilay fampise­hoana goavambe, karakarain’ny Yas sy ny Moozik. Hifan­dimby an-tsehatra mandritra ny ora maro ireo mpana­kanto ambasadaoron’ny Yas, toa an-dry Dadi Love, Moopcan, Maman’i Tsôlôlô, Oladad, Tence Mena, Rijade, Lico Kininike, Ceasar, Parish, Shyn sy Denise, sns. Handeha amin’ny fahitalavitra TVM ihany koa izany, ankoatra ireo fanentanana manerana ireo tanàn-dehibe 10 hafa.

Farakely sy Mahery Majika, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Mihodinkondina eo ihany ny fampiaraham-peo sy talenta ao amin’ity toeram-pialamboly ity. Samy efa zatra ny Piment Café ireto mpana­kanto ireto, tsy mbola niara-nampiara-peo sy talenta tao kosa anefa raha tsy amin’ity anio hariva ity. Hanaraka an’i Farakely mandritra izany ihany ireo mpitendriny, ka any amin’ny fampiaraham-peo kokoa no hidiran’i Mahery.

Partager sur: