Fisaka ny marina

 

Raha misy trangam-piarahamonina mahabe resaka angamba dia ity fanapoizinana olona teny Ambohimalaza ity. Tafakatra 31 rahateo ny namoy ny ainy, mbola am-polony manaraka fitsaboana. Tsy vitan’izay fa manjaka loatra ny fikobokobononana ny fanadihadiana sy ny fizotry ny fitsaboana ny marary. Hatramin’ny fitrandrahana vaovao aza dia manahirana, manjaka loatra ny fandrahonana.
Tsy hita be ihany ny tena marina. Tsy mba afaka manao fisaonana am-pilaminana ny havan’ny maty. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fahafahan’ny mpianakavy mitsabo ny marariny. Harirarira avokoa ny zava-drehetra fa izay tiana ho lazaina ihany no lazaina. Aiza dia hiandry vaovao ofisialy foana! Kanefa tsy voatery ho marina anefa izy ireny.
Manoloana ny voina niseho ireny kosa dia tsy hay ny hangina. Manana adidy ny mpanao gazety ny hanadihady sy hitady ny marina. Tsy voatery hanao hazalambo ny tompon’antoka akory. Asan’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana izany. Zava-dehibe ny fanajana ny etika, koa inona no manakana raha mba manao dingana kely fotsiny ho amin’ny “fahamarinana” sy ny mangaraharaha.
Mitaky fandraisana andraikitra hatrany amin’ny mpitondra fara-tampony ity raharana ity. Na fisaka aza mantsy ny marina dia mety ho singam-bolo handavo ny vositra. Tokony hampieritreritra ny fitondram-panjakana fa misy tokoa ny “patsa iray tsy omby vava”. Efa mipoitra tsikelikely izy io.
Anisan’ny tokony tsy hamahanan-dalitra ny mpitondra fara-tampony ireo voapaingotra sy voasaringotra amin’io raharaha io. Na inona na inona asa vita sy ezaka hatao amin’izao fotoana izao dia takon’ilay ran’olona maty sy mbola miady aina hatramin’izao. Tsy tokony hampandrimandry manana aretina!

r.r

Partager sur: