Fi.Mpi.Ma – TDA : Hampahafantarina ny « karajia »

Rahampitso alahady 20 jolay. Hotanterahina amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera « Zoom » sy Facebook ny fampitam-pahalalana « Takalo dinika amorom-patana » (TDA). Lohahevitra anisan’ny mahaliana olona maro no nofidian’ny Foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany : « Ny karajia amin’ny kabary malagasy ». Hisorona ny afo amin’izany ny Dr. Rabenalisoa Ravalitera Jean, mpampianatra mpikaroka, akademisianina, birao foibe Fi.Mpi.Ma sady renala rahateo. Eo ihany koa ny akademisianina Ranjatohery Harilala, mpahay tantara, renala Fi.Mpi.Ma. Azo arahina maneran-tany izy io manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva (ora eto Madagasikara).
Ankoatra ny fampianarana anaty trano. Anisan’ny maro mpanaraka ny Takalo dinika amorom-patana. Fikarohana sy fifanakalozana samy hafa no heno sy hampitain’ireo mpisorona ny afo. Afaka manaraka azy ity, rahateo, ny sokajin-taona samihafa. Isaky ny faran’ny herinandro no hanatontosana ny TDA.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: