TARATRY ny KANTO

Hisy fampisehoana atolotry ny Jazz Club CGM, rahampitso, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hanampy azy ireo koa i Mendrika Rasolo­mahatratra, mpampianatra ampongamaroanaka sady mpitendry matihanina rahateo. Fotoana fizarana sehatra ity ho an’ireo mpikambana, sy fizarana traikefa koa ho an’ireo zoky eo amin’ny mozika. Efa fifampitaizana sy fotoana ifaneraserana ihany koa ho an’ireo mpiangaly ny jazz nisitraka ny toerana.

Nivoaka omaly ilay boky « La gestion publique des fôrets de production à Madagascar ». Notontosaina tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny fampahafantarana azy ity. Mpanoratra dimy no nifarimbona tamin’izany, nahitana an’i Guybertho Randrianarivelo, Zo Hasina Rabemananjara, Eric Olivier Rabenasolo, Pierre Montagne, Alain Bertrand. Ny Edisiona Tsipika kosa no nanonta sy namokatra azy. Mamelabelatra ireo voka-pikarohana momba ny tontolon’ny fandraharahana ny ala eto Madagasikara ny boky.

Hiaka-tsehatra indray i Môta Soa. Anio, amin’ny 7 ora alina, eny amin’ny La Teinturerie ity fotoana ity. Efa ela no niandrasan’ny mpankafy azy, indrindra ireo nanaraka an’i Môta Soa hatrany am-boalohany. Ankoatra an’ilay feony miavaka mantsy, manana ilay fomba fitendry piano sy fisehatra azy manokana, mambabo sy mihazona ny mpijery manomboka ny voalohany hatramin’ny farany ity mpanakanto ity.

Partager sur: