Mbola ao anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka amin’izao! Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Tsy mafy ady fa miady mafy. Amin’izany, saika fitanana fahavelomana sisa no zava-dehibe sy vitan’ny maro: rehefa tsy maty, dia izay. Izany aza efa manahirana. Efa mba misy fihatsarany ve ny fiainam-bahoaka amin’izay ataon’ny fitondram-panjakana? Eo ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano mitsara izay iainany. Saika izay indray izao no visavisaina sy tanisain’ny mpanohitra sasany, rehefa tsy mahita afitsoka eo amin’ny tontolo politika. Hatramin’ny fanapoizinana amin’ny sakafo avy, hono, no hoe avy amin’ny fanjakana, raha ny filazan’ny sasany. Mba marina? Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay no itsarany izay hitany. Dia tonga amin’ny hoe avy amin’ny fitondram-panjakana avokoa izay misy sy mitranga rehetra…
Tsy mahagaga ny mpanohitra? Ny fanenjehany no vao mainka mampihazakazaka ny tena? Na lasa aloha matoa anjehina… Izay koa anefa no mampitandrina, fa ny mahery tsy maody tsy ela velona. Mila mitera-bokatra izay atao amin’izao. Indrindra miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka… Mby aiza? Izay mitranga rehetra, lazaina sy tsarain’ny sasany ho avy fitondram-panjakana avokoa. Ary ny vahoaka tsy afa-manoatra firy amin’izay ataony sy ny toerana misy azy, miandrandra sy miandry fitondram-panjakana hanova ny fiainany? Misy tena lany andro mitsikera sy manome tsiny amin’izany. Indrindra amin’izao mahabe resaka ny amin’ny fanapoizinana amin’ny sakafo izao, ohatra. Sanatria, lasa mandeha ho azy amin’ny sasany ny fifanapoizinana an-toerana: manely vaovao tsy marina, manatsatso, manakivy… Lasa mahazo vahana ny tsy fifampitokisana. Ho tonga hatraiza? Zava-doza ny fifamotehana an-toerana.
R. Nd.




