Efa saika nivoaka avokoa ny taom-piotazana ny vokatra lavanila ho an’ ny faritra maro. Ny talata 15 jolay teo, nisy ny lanonana ho fanehoana izany fisokafany izany ho an’ny faritra Atsinanana, tetsy amin’ny kaominina ambanivohitra Antetezambaro.
Velon-taraina ny tantsaha mpamboly nandritra ny lanonana fampahafantarana ny taom-piotazana ny vokatra lavanila, ny talata 15 jolay lasa teo. Hita ho tsy miraharaha izay vidiny avy amin’ny tantsaha ireo mpandraharaha mpanondram-bokatra. Hatreto, kaominina sy distrika maro avy amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana, izay nanaovana fanadihadiana, no ahitana fa tsy mitovy ny vidin’ny lavanila maitso. Any amin’ireo kaominina saro-dalana, toy ny hita ao Maromitety, Ambodimanga Sahavaviana, Ambatovaky sy ny manodidina azy, ohatra, eo amin’ny 1 500 ka hatramin’ny 2 500 Ariary ny iray kilao
amin’ny lavanila maitso. Toy izany koa ny ao amin’ny distrikan’i Mahanoro, raha tsy hilaza afa-tsy ny avy any Ambinanindilana izay hanaovana dia an-tongotra lavitra ihany koa, ka tsy tongan’ny mpanangom-bokatra. Vokany, lanjaina entina mandeha an-tongotra miakatra hatrany Mahanoro na ao Betsizaraina ny vokatra, hamidy mora.
Raha ny vidiny ofisialy nambaran’ny manampahefana, 3 000 Ariary ny kilaon’ny lavanila maitso, 30 000 Ariary ny masaka. Raha izay no fiaingany any amin’ny tantsaha, misedra olana ihany koa ny mpandraharaha amin’izay vidiny izay. Taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpisehatra amin’ny fakana tamberim-bidy “Restourne” ny vokatra lavanila dia tsy misy fanantenana ny hisian’ny fiakaran’ny velon-tenan’ny isan-tokantrano raha avy amin’io vidiny io.
Ho an’ny lavanila maitso, andoavana 900 Ariary isaky ny kilao, 5 000 Ariary kosa ny masaka. Raha ny fanazavan’ireo mpanangom-bokatra dia avy amin’izay tamberim-bidy izay no mahatonga azy ireo mividy mora, hatramin’ny 1 500 Ariary ny kilaon’ny lavanila maitso. Ankilan’izay, hihoa-pampana ny tombontsoan’ireo mpandraharaha vaventy afaka manodrana ny vokatra raha izao vidiny izao.
“Afaka manangona, mikirakira sy manamasaka ary mitahiry ny vokatra efa masaka mandritra ny fotoana lava ry zareo, rehefa tonga ny vanim-potoana hiakaran’ny vidiny dia manondrana mankany ivelany amin’ izay”, hoy i Velondrazana Christian, mpanangom-bokatra avy ao amin’ny fokontany Aviavazaha, kaominina ambanivohtr’i Maromitety.
Nohamafisiny fa ny lavanila ao anatin’ny faritra Analanjirofo no tsara indrindra, toy ny ao Mananara Avaratra sy Maroantsetra. Tsara indrindra koa ny “taux de vaniline”
amin’ireo faritra ireo. Raha tena mandeha tsara ny lavanila, ny 5 kilao maitso, mety ahazoana 4,5 kilao masaka ary ny “calibrage” amin’ izay fotoana izay dia 15/25. Tamin’ ity taona ity, namokatra tsara ny lavanila, saingy eo amin’ny vidiny no olana.
Mandeha “cycle” isaky ny 10 taona
Andaniny, mivoaka ny karazana fanazavan-kevitra amin’ny mety ho antony mampitotongana ny vidin’ny lavanila. Tsaroan’ny sasany ny tenin’ny fioha teo aloha, ny taona 2005, nandritra ny fitsidiham-paritra nataony tao Mananara avaratra raha somary nieboebo sy tsy nahay misy vola ny mponina tao an-toerana. Niakatra rahateo ny tsy fandriampahalemana tao Mananara Avaratra tamin’ izany ka nahatonga ny filoham-pirenena tamin’ izany hilaza hoe ho ataoko hitovy vidy amin’ny legioma, karoty sy ovy, ity lavanila ity “Betsaka ny manome tsiny ny fitondrana amin’ ity vidin’ny vokatra lavanila ity.” nohitsin’ i Menarivo Félix, filohan’ny vondron’ny mpandraharaha lavanila tato anatin’ny faritra Atsinanana teo aloha izany. “Mandeha ambaratonga isaky ny 10 taona ny vokatra rehetra.” Raha tsaroantsika, tsara ny vidin’ny lavanila ny taona 2005. Betsaka ny tsy nahay mampiasa ny vola tonga am-pelatanany. Somary nitotongana kely izy taorian’izay, saingy takon’ny vokatra jirofo sy dipoavatra namoa sy niakatra be ny vidiny ka saika nirona tamin’izay ihany koa ny mpandraharaha rehetra.
Niverina ny famokarana lavanila ary tsara ny vidiny, izay nahatratra 300 000 Ariary ny kilaon’ny maitso. Nisy voka-dratsiny nefa izany, niakatra tahak’izany ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Niforona ny jiolahy mpangalatra lavanila anaty ala, ny fanafihana mitam-piadiana, ny tsy fahatokisana ny fitandroana ny filaminana. Izay antony izay no nahatonga ny fitsaram-bahoaka nahafaty polisy telo lahy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambodiazinina, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana.
Nandritra ny taona 2015, betsaka ny fampiasana vola tao Mananara Avaratra. Vola tsy ara-drariny. Tao ny sahy mandoa lelavola amin’ny 20 000 Ariary maro izay mahatratra iray tapitrisa hatao ro mazava mba hilazana fa hoe tena mihinana ny volany izy. Fatopatorana amin’ny tady lava io lelavola io, na fatorana amin’ny fehikibo avy ao aoriana ka entina mihazakazaka mba hilazana fa ny vola no manenjika azy. Rehefa mividy zava-pisotro, tsy atao amin’ny tavoahangy fa baoritra na gazon maro.
“Ny vola dia misy tsiny ary mananjina, tsy azo atao an’ireo fampiasa azy amin’ny voalazako teo ireo ka aoka tsy ny fitondrana no omena tsiny fa isika tsy mahay manana ilay volabe avy amin’ny zavaboahary nomen’Andriamanitra” hoy hatrany i Menarivo Félix.
Tsy misy mpividy ny dipoavatra sy ny kafe
Tena ahina tanteraka ny hitotongan’ny fari-piainan’ny tantsaha amin’ ity lavanila ity. Anisan’ny namoa sy namokatra tsara ihany koa ny kafe sy dipoavatra saingy tsy misy mpanangom-bokatra. Koa hanaovan’ny tantsaha mpamboly antso avo amin’izay liana hanangona ireto roa farany ny any amin’ny kaominina ambanivohitra Maromitety.
Fialantsasatry ny mpianatra izao, midika izany fa tsy ho ela dia hampiditra mpianatra ny ray aman-dreny. Ny vidim-bokatra antenaina hampidirana mpianatra, mitontongana daholo ny vidiny. Ny jirofo mbola any amin’ny volana oktobra vao miakatra, ny vary izay efa niakatra indray izany no hamidy hampidirana mpianatra. Mbola baraingo koa ny mety hahazoan’ireo tsy namboly vary vola. Izy ireto izay nanantena ny hatsaran’ny vokatra lavanila, dipoavatra ary ny kafe.
Nanatontosa : Sajo




